♦ Tafiditra ao anatin'ireo firenena telo maneran-tany, mbola ahitana pesta miverimberina i Madagasikara... ♦ Fotoana tsara handinihana sy hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana, izay tsy mampitovy hevitra ny mpisehatra pôlitika izao, hoy ny CFM...

♦ Nitory eny main'ny Fitsarana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin'ny vadiny. Fitoriana miantefa amin'ny gazety iray mpiseho isan'andro, izay namoaka vaovao momba ilay raharaha niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera tamin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratra 578 miliara Ariary ny vola noahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2020. Tsy nahasakana ny fampiasam-bola maolto ny fisian'ny krizy nentin'ny Covid, hoy ny tatitry ny SAMIFIN, androany...

Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.

♦ Hihaona amin'ny vahoakan'ny faritra Vakinankaratra amin'ny sabotsy izao ny RMDM. Fihaonana voalohany taorian'ny nanafoanana ny amehana ara-pahasalamana... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra mba hanaja ny lamina efa napetraky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena momba ny tetiandro fidiran'ny mpianatra ny solombavambahoaka an'i Vohipeno... ♦ Ampianarina any amin'ny oniversite iray any Chine, ankehitriny ny teny malagasy...

Manandanja ny toeran'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny fiangonana. Manoloana ny rotorotom-piainana iainan'ny ray sy ny reny niteraka sy ny tanora, ary koa ny fandrosoana  ny teknolojia vaovao sy ny fomba fifandraisana dia ilaina, indrindra, ny traikefa zarain'izy ireo, ny soatoavina sy ny kolontsaina hampitainy ary ny fahendrena azony omena.

Voajanahary ve ny antson'Andriamanitra?. Ny lalam-piainana ho an'ny olona iray dia efa voasoritra hatramin'ny fahaterahany, fa Andriamanitra kosa dia manome fahalalahana hisafidy ho an'ny tsirairay, ka miantso ankahalalahana izy. Tsy lahatra ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Masina Maria dia tovovavy kely ary virijiny, talohan'ny fanambadiana. Araka ny fomba dia misy dingana telo ny fanambadiana : fisehoana, vodiondry, fakana ilay vehivavy. I Maria dia efa tonga teo amin'ny dingana faharoa no tonga ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent,  lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).

Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra dia miditra amin'ny tantaran'ny olombelona rehefa misy olana mba hanafaka. Hamantarana ny antso dia mila mahafantatra an'Andriamanitra isika ; ohatra : i Md Piera, nanaraka am-pinoana an'i Jesoa Kristy, na mbola tsy nino aza izy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Rehefa manaraka sy mamaly ny antson'Andriamanitra isika dia miova tanteraka ny maha-izy antsika. Tao anatin'ny fahanginana no nihainoan'i Abrahama ny antson'Andriamanitra sy ny iraka, mihaino ny asan'ny fanahy masina. Ny nanosika an'i Abrahama dia ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. RAkotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Masina Maria dia nino tamin'ny andro niantsoan'Andriamanitra azy, na mbola zazavavy aza izy. Ankehitriny dia voafetra ny lalàn'ny fiangonana ny fotoana hirosoana amin'ny fanambadiana kristianina. Masina Maria dia namakafaka tsara vao nankatoa ilay antso izay nampitain'ny anjely taminy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...