♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa ho an'ireo parlemanta mpanao lalàna. Fivoriana hankatoavana ilay famatsiam-bola 490 000 000 dolara nindramina tamin'ny banky iraisam-pirenena... ♦ Hitory any amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM, raha tsy voavaha ny olana nanagiazana ny fitaovan'izy ireo. Manome fe-potoana herinandro, hamoahana ireo fitaovam-piasany ny birao nasiônaly... ♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry omaly ilay mpanakanto Aloma, zanak'i Henri Ratsimbazafy...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy."
Tamin’izany andro izany, raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: "Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo." Dia nalahelo mafy izy ireo.
Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: "Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?" Dia hoy i Piera: "Mandoa Izy." Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: "Ahoana ny hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia, ny zanany sa ny olon-kafa?" Hoy i Piera taminy: "Ny olon-kafa." Dia hoy i Jesoa: "Raha izany àry, dia afaka ny zanany. Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao."
Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe: "Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra". Hoy izy ireo: "Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: "Nidina avy any an-danitra Aho?" Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao".
♦ Tovovavy fito no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanan'ny Masera Fo Madion'i Maria avy ao Diégo-Suarez, tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana... ♦ Nanofana ireo ekipa fototra any amin'ny Diôsezin'Ambaja ny Ekipa Nasionaly FIFAKRI... ♦ Noraisin'ny Diosezin'Ambatondrazaka ny 1 aogositra 2021 i Mgr Gabriel Randrianantenaina...
♦ Nihazo ny faritra atsimon'ny Nosy androany, ny "Clinique mobile", natolotry ny Governemanta japoney, ary tantanan'ny UNFPA. Nahasarika olona marobe, ny tolotra ara-pahasalamana nampiasana ity fitaovana ity omaly, teny Anjomakely... ♦ Nahazo tombony amin'ny fitsarana miaramila, izay atao eny amin'ny kianjan'i Betongolo, ireo sembana sy bevohoka ary mitaiza kely...
Tsy zaza na ankizy intsony ny tanora fa efa manomboka mandray andraikitra maro isan-karazany, ka mirotsaka miaraka amin'ireo olon-dehibe amin'ny fampandrosoana. Ny fahaiza-manao hananan'ny tanora dia tokony koloana tsara, tsy mety anefa ny mandeha irery fa ilaina hatrany ny mifanampy sy mifanohana na amin'ny samy tanora na amin'ny sokajin'olon-kafa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka rahampitso ireo parlemantera eto Madagasikara... ♦ Ho fampitovian-jo ny malagasy rehetra manerana ny nosy, amin'ny fampisitrahana fahasalamana ny vahoaka tsy an-kanavaka, CSB manara-penitra miisa 190 no ho vita hatramin' ny faran'ity taona 2021 ity... ♦ Ahiana ny mbola mety hahàritra ny loharano amin'ny faritra maro eto Madagasikara amin'ny fotoanan'ny main-tany amin'ity taona ity , raha tsoa ka tsy milatsaka amin'ny volana novambra ny orana...
Ilaina ny fandraisana andraikitra sy ny firotsahana ka entanina ny tanora mba tsy hanana toetra miandry mahazo. Ilaina ny mifanampy eo amin'ny fiainana raha tiana ny hahomby. Ny talenta dia fahaiza-manao ka isan'ireny ny fanehoana ny zava-kanto isan-karazany toy ny tantara antsehatra, ny hoso-doko, ny mozika isan-karazany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco