Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: "Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: "Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: "Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao; koa indro averiko aminao ny anao." Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: "Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako; koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify."
♦ Ny Federasionina "Milano rika" dia ivondronan'ireo fikambanana mpanjono madinika miisa 15, izay ahitàna mpanjono miisa 700 any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Ny mpikambana sy ny vondron'olona ifotony dia vonona ny hiaro ny rika sy ny harena ao anatiny... ♦ Ny akanga : karazam-borona avy aty Afrika, misy karazany dimy manerantany fa karazany iray ihany no misy eto Madagasikara. Voasokajy ho isan'ny fianakaviambe ny antsoina hoe : "fasianides" ny akanga...
♦ Niteraka resa-be taorian'ny nitsanganan'ny governemanta ny fisiana ministra voalaza fa efa nanao hosoka nialohan'ny nanendrena azy, Ny filan-kevitry ny ministra anio no andrasana hamaritra ny hitazomana azy na tsia... ♦ Efa afaka misitraka ilay "Johnson and Johnson" avokoa ireo rehetra te hatao vaksiny hoy Ministeran'ny fahasalamambahoaka.. ♦ Mitaky ny hamoahana amin'izay ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fiarovana ny mpanjifa ny RNDC...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora."
♦ Hiparitaka eny anivon'ny CSB2 manomboka anio ny fanaovam-bakisiny fatra faharoa, ho an'ireo efa nitsindrona ny vakisiny Covishield farany teo. Roa volana sy tapany ny fe-potoana omen'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hanaovana izany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenana ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo nosy malagasy. Milaza ny hanitatra ny hetsi-pitakiana manerana ny nosy izy ireo, manomboka izao...
♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenena ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo "Iles éparses". Nilaza ny hanitatra ny hetsika izy ireo, raha nanao fanmbarana teny Andravoahangy Ambony, androany... ♦ Filaharam-be vao maraina androany, no hita tamin'ny fanombohan'ny fanaovam-bakisiny andiany faharoa teny amin'ny HJRA Ampefiloha. Naneho ny tsy fahafaliany, noho ny fahadisoam-potoana, ireo olona hatao vakisiny tonga vao maraina...
Sabotsy 21 aogositra 2021 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
Zoma 20 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
♦ Hitondra vahaolana amin'ny olan'ny fitantanana ny karaman'ny mpiasam-panjakàna sy ny fisotroan-dronono ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola vaovao... ♦ Fisoratana anarana any amin'ny sekolim-panjakàna : Ny fivorian'ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny FEFI no mamaritra ny fandraisana anjaran'ireo mpianatra... ♦ Hankalaza ny faha 30taona nijoroany amin'ny taona ho avy ny FAFIALA, mifototra amin'ny fampandrosoana lovain-jafy eny amin'ny tontolo ambanivohitra...
Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14
"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy". Ny fifanampiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no mampiroborobo sy mampaharitra ny fiaraha-miasa amin'ny hafa. Fianarana ho antsika ny nasehon'Andriamanitra, satria na manana ny ampy tsy taka-pesipesenina aza Izy dia mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona nohariny. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco