Ny valan-javaboary Tsingin'ny Bemara ao Morondava dia misy biby maro  toy ny gidro izay misy karazany 13, ka  ny karazany 03 dia fahita amin'ny alina ary 10 ambiny dia  amin'ny andro mazava. Toerana azo hitsangatsanganana tsara amin'ny alalan'ny lakana ny any Manambolo, misy koa ny zohy ahitàna stalactite sy stalagmite. Any amin'iny faritra iny koa no ahitàna ny fasan'ny vazimba, olombelona voalohany teto amin'ny Nosy... Ny bokiboky dia biby mpihinan-kena manta... 

♦ Afaka adiny efatra no hizotra any Bahir Dar Ethiopia ny lalao ifanandrinan'ny Barea sy ny Antiloppe Etiôpiana, ho fifanintsanana Can 2021... ♦ Miato manomboka anio ny fampianarana ho an'ny sampam-pianarana Siansa eny amin'ny Oniversitea an'Antananarivo. Voalaza ho anton'izany ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Misaona indray ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry androany maraina i Sammy Rabenirainy, ao amin'ny tarika Lôlô sy ny Tariny... 

♦ Nahiditra hôpitaly  omaly hariva eny amin'ny Soavinandriana ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsirakasy ny vadiny. Voalaza fa tratran'ny aretina gripa izy ireo... ♦ Anio no hotanterahina ny fifidianana izay ho solontenan'ny Antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... ♦ Hotanterahina anio tolak'andro any Bahir Dar ny lalao ifanandrinantsika amin'ny Ethiopia. Samy miandrandra fandresen'ny barea hiakarana any amin'ny Can 2021 indray ny mpitia baolina kitra malagasy...

♦ Tsy mitsahatra ny mamono olona ny Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 361 ny isan'ny maty ; mihamaro ihany koa ireo manana soritr'aretina, mankeny amin'ny Village Voara Andohatapenaka, ho an'ny ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Nanolotra fanomezana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Governemanta Indiana, fanampiana navantana avy hatrany tany Taolagnaro. Nandray izany ny Praiminisitra Ntsay Christian...

♦ Mitoka-monina ny any Mahajanga nanomboka ny maraina teo. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra sy ny Oniversitea... ♦ Manahy ny solombavambahoaka an'i Nosy-be fa ho tratran'ny kéré koa ny any an-toerana, noho ny fahaverezan'asa maro ateraky ny fanakatonana ny sisin-tany mihazo ny any an-toerana... ♦ Tafakatra 93 ireo kandidà hofidiana ho mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, hisolo tena ireo mpanao lalàna sy filan-kevitra ambonin'ny mpitsara...

Ny fitiavan-tanindrazana dia azo hadika ho fampandrosoana ny tanindrazana niaviana. Ny andron'ny 29 marsa dia tsy ampy hampahalalana ny maro ny atao hoe fitiavan-tanindrazana noho izany dia manana adidy ireo mpisehatra ao anatin'ny telozoron'ny fanabeazana. Ny raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpianatra dia manana zavatra mampiavaka azy ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ny raiamandreny no mpanabe voalohany indrindra ka izy no hiaingan'ny fampianarana ny atao hoe fitiavanan-tanindrazana, isan'izany ny fomban-drazana sy ny fomba isam-paritra...

♦ Mikatona tanteraka tsy azo aleha manomboka anio ny zotram-pitanterana mankany Mahajanga sy No sy-be. Fikatonana haharitra 15 andro, ho fisorohana ny coronavirus... ♦ Niampy 4 indray ireo matin'ny covid-19 eto Madagasikara, ankoatra ireo tranga vaovao 132 tamin'ny tarehimarika farany nivoaka omaly. Olona 10 no lavo tao anatin'ny 2 andro farany... ♦ Maro amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no mararin'ny Coronavirus amin'izao, raha ny tatitry ny sendikàn'ny Paramed...

♦ Andro farany mialoha ny hikatonan'i Mahajanga ny androany. Nataon'ireo kaoperativam-pitaterana lohalaharana ireo mpandeha tsy maintsy hamonjy fodiana, tonga teny Andohatapenaka... ♦ Niaiky ny UCTU fa tsy voahaja ny elanelana iray metatra any anaty Taxibe. Tsy mahomby mantsy ny fitondrana mpandeha efatra-efatra...

♦ Manomboka miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny valan'aretina Covid-19 ny eto Madagasikara. Efa ahitàna ilay coronavirus nivoatra variant "Sud-Africain" eto amintsika... ♦ Misy ny milaza fa hanongana ny fitondrana ny katôlika, taorian'ny fanambarana nataon'ny K3F tany Fianarantsoa. Namaly izany ny Eveka Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny Francophonie ny tamin'ny Sabotsy 20 marsa teo ary faha-51 taonan'ny OIF... 

Sabotsy 27 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 45-56

Tamin’izany andro izany, maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy. Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa. Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: "Inona itý ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika." Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany: "Tsy mahalala na inona na inona ianareo, na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo." Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa, ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo. Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena. Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe: "Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?"

Zoma 26 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 31-42

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...