Alatsinainy 15 febroary 2021 — Herinandro fahenina mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 11-13
Lafim-piainana iray ny fahasalamana ka hamaritàna tanjona dia ny fanenana ny toaka sotroina. Raha "manena" no teny nosafidiana dia mbola misotro izany fa ny fatra no nihakely, izany hoe mbola tsy tapaka ny fiankinandoha. Io no mamaritra ny lanjan'ny fiankinandoha, mila mazava: firy no laninao isan'andro na isan-kerinandro na isam-bolana? Inona no mitranga mahatonga anao hanapa-kevitra hampihena ny fisotroana ?...
Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...
Alahady 14 febroary 2021 — Alahady fahenina mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi, nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy : "Manaraha Ahy." Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy. Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi, ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao. Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo ?" Fa novalian’i Jesoa hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka."
Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy."
♦ Hanao fitokonana faobe manerana ny nosy anio ireo mpiasan'ny fahasalamana ao anatin'ny sendikan'ny Paramédicaux, ary voalaza fa tsy hisy intsony ny fiandrasan-draharaha eny anivon'ny hôpitalim-panjakana... ♦ Nanohy ny fitokonany indray omaly ireo mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana. Mpianatra telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana vokatr'izany...
♦ Tsy tafiditra tao amin'ny faritry ny hôpitaly HJRA androany ireo Paramed. Milaza ny hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo manomboka rahampitso... ♦ Ny famerenana ireo volamena tratra tany afrika Atsimo no hahafantarana na an'i Madagasikara na tsia ireo harem-pirenena ireo, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany...
Sabotsy 13 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
Zoma 12 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37
Alakamisy 11 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30
♦ Manahy amin'ny toe-java-misy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny rafitra iraisam-pirenena. Olona an'arivony avy any amin'ny faritra Androy no mifindra monina... ♦ Misedra fahasairanana ny sekolim-panjakàna sasany noho ny tsy fahazoan'ny mpampianatra Fram vola fanampiana... ♦ Tsy mbola miverina ny fahafahana mitrandraka ala taorian'ny fepetra noraisin'ny ministeran'ny tontolo iainana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco