♦ Tsy mendrika ny vahoaka Malagasy intsony ny zava-nitranga tamin'ny 7 febroary 2009. Tsy mihemotra ny fanjakana fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Namaky ady tamin'ny mpanohitra ny mpitondra, raha nanakatsakana ny mpiara-dia tamin'izy ireo nankeny Imerinkasinina tamin'ny fomba samihafa ny sabotsy teo, hoy ny mpitarika. Mitohy ny tolona, hanao fanambarana amin'ny vahoaka Malagasy ny Miara-manonja amin'ny sabotsy 13 febroary ho avy izao...
Alarobia 10 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23
♦Nifona sy niala tsiny tamin'ny fitsaràna sy Rolly Mercia ny mpitarika ilay hetsika teny Ambohipo, tamin'ny 13 jolay 2020, lainga hoy izy ny filazany... ♦ Misy orinasa iray avy any Dubai mitory ary mitonona ho tompon'ilay volamena tratra tao Afrika-atsimo... ♦ An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana any Rangoun izay manohitra ny nanesorana an'i Aung San Suu Kyi...
Talata 9 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13
♦ Hifamontoana eny Imerikiasina anio ny mpanohitra ahitàna ny RMDM, TIM, HVM... ♦ Tsy handefitra amin'ny mety hisian'ny fioharam-pefy ny avy amin'ny mpitandro ny filaminana anio manoloana ny hetsiky ny mpanohitra... ♦ Nioso tamin'ny fandroahana ireo masoivoho miasa ao aminy ny any Moscou...
Olona manodidina ny 50.000 no handray anjara amin'ny fitsangatsanganana karakarain'ny mpanohitra, rahampitso eny Imerinkasinina. Efa milamina sy mirindra ny fandaminana rehetra. Ho rakotra mpitandro ny filaminana kosa ny ao Antananarivo sy ny manodidina rahampitso...
♦ Hifarana anio ny "Aero India 2021". Manatrika izany any Inde ny avy amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, mijery ihany koa ny ahafahana manampy ara-pitaovana ny miaramila malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tany... ♦ Hanangana toeram-pitsaboana fototra na CSB miisa 119 ny fanjakana malagasy. Iray isaky ny distrika farafahakeliny. Efa nametrahana vatofototra ny 90 amin'ireo nanomboka tamin'ny volana ôktôbra...
Ho entitra ny fitandroana ny filaminana eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso, ka hampitomboina ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalambe hisorohana izay mety ho endrika fanakorontanana na fanararaotana na fandikan-dalana, hoy ny OMC Analamanga...
♦ Nandiso ny vaovao nivoaka tamin'ny RFI ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany, momba ilay raharaha volamena 73,5kg. Tsy marina, hoy izy, ny fanakanako ny fitohizan'ny fanadihadiana... ♦ Hisitraka vola 50 tapitrisa dolara i Madagasikara, ao anatin'ny 5 taona, hivarotany "entona carbone", izay hotrohan'ny atiala atsinanana. Vita sonia androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany...
Ny fitantanana sy fanomezana lanja ny fako: ireo fomba mahomby azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro. Maro ireo fanamby atrehintsika manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana ankehitriny. Anisan'ny vahaolana azo atao anefa ny fitantanana ny fako mba hahazoana tontolo madio sy azo iainana kokoa. Mitondra vokatsoa maro izany ho an'ny fiaraha-monina sy ny fahasalamana...
♦ Hisokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny teknisianina sy tsy hijery loko pôlitika amin'ny iraka tanterahany ny Antanimierandoholona amin'izao fotoana izao, hoy ny Filoha lefitra avy any avaratra, Imbiky Herilaza... ♦ Na dia mamokatra 70%-n'ny ronono eto Madagasikara aza ny any Vakinankaratra, mbola tsy afa-po amin'ny habetsahan'ny ronono tsara kalitao vokarin'ny tantsaha, ireo mpandraharaha any amin'izany faritra izany...
Havaozina hifanaraka amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao ny paik'adim-pirenena ho an'ny fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara na ny SNDR. Fanamby ny kendrena ny ahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon, ny hamerenana sy ahatonga an'i Madagasika ho sompitra aty amin'ny faritry ny ranomasina indiana sy ny manodidina...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco