♦ Hivoaka anio ny lisitr'ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolontsaina afaka hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao. Ho hita amin'ny tranokalam-pifindraisan'ny CENI foibe izany... ♦ Nifarana ny fotoam-piasàn'ny PDS-n'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, noho izy nirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny iray volana izy, omaly... ♦ Fianakaviana 7 no nisantatra ny famindran-toerana ireo tokan-trano marefo ara-pivelomana any Fieferamanga Arivonimamo. Famindran-toerana, tafiditra anatin'ny tetik'asa Ankohonana Miarina... ♦ Olona 70 farafahakeliny no maty tany afovoan'i Haïti, vokatry ny fanafihana nataon'andian'olona mirongo fiadiana...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 53, 10-11)

Rehefa nanatitra sorom-pifonana ho an’ny fanahiny izy, dia hahita taranaka, ho lava andro iainana.

Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22

Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo ahìny,
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny taona mosarena.

Izahay manantena ny Tompo
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho eo aminay matoky anao!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16)

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilantsika izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)

Tonga ny Zanak’Olona mba hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”.

Ary hoy Izy:

“Inona no tianareo hataoko aminareo?”

Dia hoy ireo:

“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”

Hoy ireo taminy hoe:

“Zakanay”.

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”.

Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 42-45)

Tonga ny Zanak’Olona mba hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

Tamin'izany andro izany,
i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:

“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mis tsindry atao amin'ireo solontenam-panjakàna amin'izao fifidianana izao. Manahy izy ireo fa hafindra toerana, raha tsy lany ny kandidàn'ny fitondràna, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Niravona ny disadisa anatiny teo anivon'ny Vovonana Firaisan-kina. Niezaka nifandamina izy ireo, nandritra ny fivorian'ireo mpitarika teny Faravohitra, omaly... ♦ Manao antso amin'ny fitondràna mba tsy hanaraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, hampiakarana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika ny SSM. Nanao fanambaràna momba izany izy ireo... ♦ Mbola mitohy foana ny fifanandrinana eo amin'ny Israelina sy ny Hezbollah libanais...

Mialohan'ny nananganan'i Jesoa ho velona an'i Lazara dia nitodika tany amin'Andriamanitra Ray Izy nisaotra noho ny Ray nihaino Azy zanaka ; araka izay voasoratra hoe : dia noesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe "misaotra Anao Aho, Raiko, satria nihaino Ahy Ianao". Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika dia mazava ny zava-drehetra ary misinda ny ahiahy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

♦ Manahy ny amin'ny mety hamindrana toerana azy ireo, noho ny tsy fahalanian'ny kandidàn'ny mpanoha fitondrana, ny ankamaroan'ny solotenam-panjakana, hoy ny KMF CNOE androany... ♦ Niezaka nadamin-dresaka teny Faravohitra androany, ny Vovonana Firaisankina, tao aorian'ny tsy fitovian-kevitra nivoaka imasom-bahoaka, manoloana ny fanohanana ny kandidà Rakotovao Rivo... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana mba tsy hanaraka ireo fepetra apetraky ny mpamatsy vola vahiny ny SSM, satria hitarika olana goavana eto amin'ny firenena izany...

♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...

♦ Nahitsy fanintelony ny hetran-trano ao Antananarivo-renivohitra tao anatin'ny 5 taona. Fanitsiana izay tombànana ho misy pi-maso ara-politika amin'ny mpifidy, amin'izao fifidianana ben'ny tanàna izao... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza indray ireo Solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io. Mety ho voaresaka anatin'ny fivorian'izy ireo ny fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny fepetra napetraky ny FMI... ♦ Midina ny vidin'ny lafarina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tokony ho efa 3.000Ariary eo ny kilaon'ny lafarinina vokarina eto an-toerana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH... ♦ Olona maherin'ny 370 no namoy ny ainy tao anatin'ny herintaona nisian'ny fifanafihana eo amin'i Israel sy ny Hamas...

♦ Manana kandidà ben'ny tanàna 139 amin'ny Distrika 25 ny antoko Fivoy amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ireo kandidà ireo... ♦ Efa tsy misy ahiana intsony ireo mpianatra 15 isa, izay narary tampoka tany an-tsekoly teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy ny herinandro teo...  ♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Marary ny mpanabe, izay mamolavola ny olona rehetra hisian'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fikambanana AJEEM... ♦ Feno herintaona anio 7 ôktobra ny fiverenan'ny ady mahery vaika ataon'i Israel any Proche Orient...

Isika samy olombelona dia mahay mifampisaotra, fa vao mainka moa isika rehefa mifandray amin'Andriamanitra. Mendrika hisaorana Izy Andriamanitra loharanon'ny soa rehetra, manome izay ilaintsika. "Misaotra" teny fohy fa manan-danja, tsotra nefa sarotra indraindray no miaina azy. Misaotra an'Andriamanitra isika satria manana vinavinam-pitiavana manokana ho antsika Izy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Aoka isika ho tabernakla kely, mitondra an'i Jesoa ao anatintsika ao, na aiza na aiza, na oviana na oviana dia mba hazavainy ny lalanao sy ny any hafa. Amin'ny toe-javatra rehetra dia nanana fijery lalina i Masina Maria, mahay mamaky ny zava-nisy niainan'i Jesoa izy, hatrany ao am-po miafina. Azo atao ny mitsaoka, misaotra, mangataka amin'i Jesoa any amin'ny toerana izay misy anao rehetra any... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

Isan'ny hanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia porofo ny maha Kristiana marina satria mikatsaka ny fiombonana tanteraka, toy ny fiaraha-monin'ny Trinite Masina. Na inona na inona no asanao dia mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana izany, eo koa ny fanekena fanendrena, fahaizana mampitohy amin'ny taranaka ny lova tsara sy mendrika. Mbola maro ireo fahalovana misy eto Madagasikara koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpifidy dia samy tompon'andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...