Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 9, 8-15)

Ny faneken’Andriamanitra tamin’i Nôe, dia ny hanafaka azy amin’ny safo-drano.

Taorian’ny safo-drano Andriamanitra
niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe:

“Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”.

Dia hoy Andriamanitra:

“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany.
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho,
dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra,
ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.

Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 18-22)

Ny Batemy izay tenan’io tandindona io no amonjena anareo.

Ry kristianina havana,
na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe,
mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja,
sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io,
sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,
no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay,
ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)

Nalain’i Satana fanahy Izy, ary ny Anjely nanompo Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro
dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia,
ary ny Anjely nanompo Azy.
Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Andrasana anio ny ho fizotry ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eo anivon'ny kaominina. Hitafa amin'ny mpanao gazety eny amin'ny foiben-toerany eny Alarobia amin'izao maraina izao ny CENI... ♦ Fanilo miampita ho an'ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny ary afo tsy maty mampiredareda ny fitiava-tanindrazana ny toe-tsain'ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Feno 49 taona omaly ny namonoana azy teny Ambohijatovo... ♦ Fotoana tsara hamoahana ny tena marina momba ny raharaha Ratsimandrava izao ary tsy tokony handratra ny fahalalana izany, hoy Pr Armand Rasoamiaramanana izay vavolombelona voalohany nohenoina tamin'iny raharaha iny...

♦ Kasain'ny Fitsaràna Malagasy ho gadraina mandritra ny 150 taona ve i Mbola Rajaonah, hoy ny fanontaniana napetraky ny Mpisolovava azy ny Maître Eric Mihaja Rafidison... ♦ Nahitana olona roa velona soamantsara sy razana miisa fito hafa ilay lakana dobo an-dranomasina tao Nosivarika saika hiazo an'i Mananjary... ♦ Manentana ny olona ho mailo amin'ny mety firodanan'ny trano, fihotsahan'ny tany, aorian'ny fisian'ny rotsak'orana tahaka izao, ny tale jeneralin'ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza na ny BNGRC... 

Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

♦ Miantso ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana ireo lalàna vao nolaniana ny filohan'ny antenimieran-doholona, raha nanasongadina ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny filohan'ny antenimieram-pirenena amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan'izy ireo omaly... ♦ Nitokana foto-drafitr'asa maro tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny votoatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ireo sekoly fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i Robert Banditer...

♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...

♦ Manentana ny olona hikolo ny fifandraisana amin'ny marary, ny Papa François, amin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-32 ho an'ny Marary... ♦ Hotanterahana ny 10 sy ny 11 febroary 2024, ny fivoriambe voalohany amin'ity taona ity, ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto Antananarivo... ♦ Fahakiviana ara-panahy sy fanakanana ny olona tsy hiaina am-pifaliana ny alahelo, hoy ny Papa François tamin'ny Audience générale farany teo...

♦ Namerina indray ny maha sehatra ifanakalozana sy ifanatonana ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity, Christine Razanamahasoa, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana androany... ♦ Nomem-boninahitra manokana nandritra ny fetin'ny Orchidées andiany faha-28, izay tanterahana ao amin'ny Conservatoire Princesse de Galles, any Londres, ny hakanton'ny harena voajanaharin'i Madagasikara... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny firongatr'ireo olona voasarika sy voambaka amin'ny hypnose, ny mpitandro ny filaminana ao Betafo...

♦ Niakatra ho 3.340 miliara Ariary ny vola ahiana ho tafiditra amin'ny famotsiam-bola, tamin'iny taona 2023 iny, araka ny tatitra nataon'ny SAMIFIN. Eo amin'ny sehatra fanafarana entana no tena isehoan'izay famotsiam-bola izay... ♦ Hikatona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eny Anosy anio, noho ny fambolen-kazo karakarain'ny Minisiteran'ny Fitsarana... ♦ Miisa 150 ireo teratany Malagasy tratra nanjono tany amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Seychelles. Andrasana anio ny fahatongavan'izy ireo eto Madagasikara, hanaovana fanadihadiana...

♦ Nitombo 950 miliara Ariary ny vola nofotsiana teto Madagasikara tamin'iny taona lasa iny, mitaha ny tamin'ny taona 2022, raha ny tatiry ny SAMIFIN androany... ♦ Nisy mpanjono teratany Malagasy 150, tratran'ny fanjakana Seychellois, rehefa nanjono tany amin'ny fari-dranomasiny. Hampodiana sy hanaovana fanadihadiana eto Madagasikara izy ireo, hoy ny Minisitry ny Jono, androany... ♦ Mbola tsy misy choléra eto Madagasikara. Efa noraisina ny fisorohana rehetra, toy ny famafazana ranom-panafody ireo sambo sy fiaramanidina miditra eto amintsika, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra...

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 12-18)

Andriamanitra tsy maka fanahy olona.

Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra;
fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana,
izay nampanantenain’Andriamanitra homena izay tia Azy.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe:

“Andriamanitra no maka fanahy ahy.”

Fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filan-dratsy,
izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota,
ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Aza diso hevitra, ry kristianina havana:
ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-25. 18-19

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiahy amin’ny andro fahoriana,
raha hihadiana longoa ny olon-dratsy.

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny Vahoakany,
na handao ny Lovany:
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Vao lasa ny teniko hoe: “Mibolisatra ny tongotro!”
ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy nananty!
Raha maro loatra ny ahiahy ato anatiko,
ny fampiononanao no mampifaly ny fanahiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

Mitandrema ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.

Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:

“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.”

Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Noho isika tsy manana mofo izay.”

Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:

“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo?
Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Dia hoy ireo taminy hoe:

“Roa ambin’ny folo.”

Dia hoy i Jesoa:

“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Hoy ireo hoe:

“Fito.”

Dia hoy Izy taminy:

“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 1-11)

Aoka ny fandeferana homban’ny asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo.

Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba,
mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy,
miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy,
ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,
satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary,
mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo,
ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo,
dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra,
fa homeny azy tokoa izany;
satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala;
fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.
Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo,
fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;
ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny,
fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra,
ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra:
toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76

Ny indrafonao anie haninteraka hamelona ahy.

Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho
fa izao dia mitandrina ny Didinao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny Fitsipikao.

Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny Fitsipikao!
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao:
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.

Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:

“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”

Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...