♦ Miantso an'ireo antoko politika nanohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritr ny fifidianana farany teo hanambatra ny heriny anatin'ny vondrona iray ny antoko Freedom. Famondronan-kery iatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny eny anivon'ny kaominina... ♦ Hisy ny fanadiovana ny asam-panjakàna hoy ny ministra tompon'andraikitra. Hisy amin'ireo tsy manaja ny fitsipika sy ny tandrohasina maha-mpiasam-panjakàna no hiakatra filan-kevi-pifehezana saingy tsy voatery hiafara amin'ny fandroahana izany... ♦ Nanolotra zanak'akoho 1.500 isa sy toho-tantely manara-penitra ho an'ny fikambanana AFF ao amin'ny kaominina Ambasimbe, Faritra Atsinanana ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana...
♦ Natomboka omaly ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny Fiangonana Masindahy Louis de Gonzague ao Ankadisoa Distrikan'i Mahabo ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny 23 jona izao no ivon'ny fankalazana... ♦ Tanora maherin'ny 160.000 isa no hofanina ao anatin'ny 100 andro anatin'ny hetsika nasiônaly ho an'ny tantsoroka ho an'ny famoronan'asa mendrika, ny torolalana arak'asa ho an'ny tanora. Isan'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny ministeran'ny asam-panjakàna, ny asa ary ny lalàna sôsialy ny Don Bosco Madagasikara... ♦ Tantsaha 57.000 isa any amn'ny Faritra 20 manerana ny nosy no nahazo hanam-pamokarana hiatrehana ny taom-pamokarana nanomboka ny voalohan'ny volana novambra lasa teo...
Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.
♦ Fitaovam-pandanjàna sy famaràna maromaro an'ireo mpivarotra ety Ivato no giazan'ny ministeran'ny varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nahazoana vokatra tsara ny tetik'asa JM CT Jeunesse Malagasy Compétente au Travail, nandritra ny 6 taona niasany teto Madagasikara... ♦ Tokony hampitohy ireo tanan-dehibe hafa manitona mpizahan-tany ny zotram-piaramanidina hataon'ny Fly Emirates fa tsy Antananarivo sy Nosy-be ihany hoy ireo mpandalina eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ♦ Voaheloky ny fitsarana tany New York handoa onitra mitentina 355 tapitrisa Dolara ny filoha Amerikana teo aloha Donald Trump... ♦ Niala tao amin'ny tanànan'i Av Divka faritra Atsinanan'i Ukraine ny tafika Ukraniana...
♦ Nazoto nisoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux Cap Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny Jono, ary hitarina amin'ny Faritra hafa manerana ny Nosy... ♦ Teknisiana sy tantsaha mpampita miisa 20 minadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely nandritra ny telo andro... ♦ Nody mandry omaly tany amin'ny fonja nitazomana azy i Alexei Navalny, mpanohitra ny filoha Rosiana Vladmir Poutine... ♦ Teratany Israeliana roa no maty, enina hafa naratra vokatry ny tifitra nataon'ny Palestiniana iray tany Kiryat Malackhi, 30km miala ny tandavan'i Gaza...
♦ Mazoto nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux-Cap, Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny jono, ary hitarina amin'ny faritra hafa manerana ny nosy... ♦ Teknisianina sy tantsaha mpampiatra miisa 20 mianadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely, nandritra ny telo andro...
♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...
♦ Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana ity ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Mandray ny karine avy any amin'ny Fokontany ny CENI ankehitriny, ary mandika ny anarana ao anaty ordinatera... ♦ Mitohy androany eny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy, eny Tsimbazaza, amin'ny alalan'ny loabary an-dasy ny hetsiky ny FIMPIMA... ♦ Kaominina miisa telo no voakasiky ny tetikasa fanajariana vaovao atao ao Bas-Mangoky, ka manohitra ny fangalana ny taniny ireo mponina...
♦ Hotanterahana manomboka ny alatsinainy 22 jolay 2024, ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Efa nisokatra ny 13 febroary ary hifarana ny 26 aprily 2024 amin'ny 6 ora hariva, ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina... ♦ Nazoto nanoratra ny anarany teo anivon'ny Fokontany ireo olom-pirenena. Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana febroary ity, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Maro ireo lesoka mila harenina amin'ny fomba fiteny sy fitsipika ary fanoratana ny teny malagasy, hoy ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina...
♦ Nifarana vonjimaika androany, ny fampidirana mpifidy anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nihoatra ny tombana napetraky ny CENI, ny isan'ireo olom-pirenena vaovao voasoratra anaty lisitra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara, ny firaisan-kinan'ny mponina voakasik'izany... ♦ Mbola mitohy amin'ny toerana maro manerana ny nosy ny rotsak'orana, androany hatramin'ny alahady izao. Faitra maromaro no nahazo fampitandremana avy amin'ny Météo...
♦ Namoizana ain'olona ny orambe misy amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny. Teto Antananarivo ny roa ary tany Mandoto ny 2 hafa. Maherin'ny 4.000isa ireo tra-boina hoy ny BNGRC... ♦ Naneho ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina aorian'ny fifidianana solombavambahoaka ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO. Naneho hevitra toa izany koa ny Humaniste Ecologiste... ♦ Efa milamina ny any Mandoto hoy ny solombavambahoaka Rakotorahalahy Modeste taorian'ny asan-dahalo nahazo laka tany amin'ity distrika iray any Vakinankaratra ity tamin'ny taon-dasa...
Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco