♦ Mbola misy ireo olona tsy navotsotr'ireo olon-dratsy mpaka an-keriny any amin'ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina. Miaina anaty fitaintainana hatrany ny fianakavin'izy ireo... ♦ Tokony hizotra am-pilaminana ny fifampiresahan'ny fitondram-panjakàna sy ireo vondrona mpaninjara solika, manoloana ny fifehezana ny vidin-tsolika hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoron'Afo... ♦ Foana ny lalao saika handraisan'ny Ankoay anjara anio sy ny zoma izao noho ny fialan-daharan'ny ekipa Tanzaniana. Hiatrika ny dingana manaraka avy hatrany ny Ankoay afaka iray volana... ♦ Niharan'ny fisamborana ny olona miisa 22 any Belgique izay voarohirohy amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ka pôlisy ny miisa 3 tamin'ireo...

♦ Nandefa taratasy fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo Evekan'ny Nosy Maurice sy ny Nosy La Réunion ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara manoloana ny takaitra navelan'ny rivo-doza Belal... ♦ Hotohizana ireo tetikasa entina hanatsarana ny famatsiana angovo eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo Olivier Jean Baptiste... ♦ Nilaza ho niharan'ny fandrahonana ataon'ireo tsy manara-dalàna amin'ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ny Ministra teo aloha Pierre Houlder... ♦ Lany ho filohan'i Comores tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany amin'ny taham-pandraisan'anjara an'ny mpifidy 16,30% i Azali Assoumami...

♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...

♦ Hiara-hiasa hametraka paik'ady hamerenana ny fandriam-pahalemana izay mampikaikaika ny vohoaka ny mpitandron'ny filaminana hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Distrikan' i Mandritsara : Ahiana hitoka-monina noho ny fahasimban'ny lalam-pirenena faha-32... ♦ Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana amin'ity faran'ny herinandro ity... ♦ Mananontanona ny Nosy Maurice indray ankehitriny ilay rivo-doza Balal rehefa avy nandravarava izay nolalovany tao amin'ny Nosy La Réunion...

♦ Tsy misy lalàna manery ny tsy maintsy nanaovan'ny ministra tsirairay fihanianana fa safidy manokan'ny filoha Andry Rajoelina no nampanao izany... ♦ Tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Ben'ny Tanàna amin'izao, tsy tokony ho azo ampiasaina araka izany ny fametrahana ny filohan'ny delegasiônina manokana hoy ny mpahay lalàna...  ♦ Distrika Belo-Tsiribihina : nikatona nanomboka omaly mandritra ny fotoana tsy voafetra ny sekoly rehetra any an-toerana noho ny resaka fakana ankeriny mpianatra... ♦ Nanao antso amin'ny hanaovana hetsika fitadiavam-bola ho fanampiana ireo lasibatry ny ady ao Ukraine ny vondrona iraisam-pirenena...

♦ Fombafomba vaovao natao tao aorian'ny fanendrena ireo mpikambana vaovao mandrafitra Governemanta, ny fanaovana fianianana...

♦ Heloka manimba sy manohitra ny maha-olona ny ady, hoy ny Papa François, teo am-pamaranana ny vavaka Angélus… ♦ Any Etazonia, hotanterahina ny 18 sy ny 19 janoary ho avy izao ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina… ♦ Mila mpitantana ny fiantsoan’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny teny Ambohipo… ♦ Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torina hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra 25 vao nohamasinina…

♦ Tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka ny Governemanta nijoro omaly hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Tsy mba nisy olom-boafidy tena mahita ny hetahetam-bahoaka ao anatin'ny akory,hoy izy ireo... ♦ Lalana maro eto Madagasikara no tsy misy fikojakojàna amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ka vao mainka mihsimba. Mahavita tsara ny fanamboarana azy ireny anefa ny vola anatin'ny Fond Routier, hoy ny Depiote Rastany... ♦ Nivily lalana ka tsy ahiana handalo an-tanety eto Madagasikara ilay rivo-doza Belal ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Ho betsaka ny rotsak'orana amin'ny ilany avaratra sy avaratra andrefan'ny nosy anio sy rahampitso noho ity rivo-doza ity...

♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...

♦Hampahafahatarina eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha rahampitso amin'ny 5 ora hariva ireo ministra voafantina tamin'ireo kandidà miisa 467... ♦ Tsy mifanaraka amin'ny pedagôjia ny famitàna ny fandaharam-pianarana mialoha ny fialan-tsasatry ny Paka ka tsy eken'ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Nahitàna fiakarany 2000 Ariary isaky ny kilao ny vidin'ny hena eny an-tsena ankehitriny... ♦ Hosokafana anio any Côte d'Ivoire ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'i Afrika Can 2024...

Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana... 

♦ Mila mahay maka lesona ny filoha Andry Rajoelina hoy ny mpamakafaka pôlitika Soalihy Moussa, mba hahafahany mamita am-pitoniana ny fe-potoam-piasany faharoa... ♦ Efa nahatratra 18 ireo tranga fanolanana zaza latsaky ny 15 taona nandalo teny anivon'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo hatramin'ny fiandohan'ny taona 2024... ♦ Voamarina fa alika mpirenireny no nanaikitra ireo omby tany Brickaville tamin'ity herinandro ity hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana... ♦ Nandray fepetra ny any Colombie manoloana ireo gadra tafatsoaka any Equateur...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...