♦ Natolotra nandritra ny fivoriambe nataon'ny Ivom-panajariana an'Antananarivo sy ny manodidina na ny IPAM omaly ny paik'ady hitantanana ny fako hiarahan'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina manodidina manatanteraka... ♦ Nitombo ny fanjifan'ny malagasy ny hazandrano. Teo amin'ny 2,16 kg isan'olona isan-taona izany taloha, nanomboka ny taona 2021 sy ny 2022 dia tafakatra 4,26 kg isan'olona isan-taona izany... ♦ Nahazo vokatra tsara amin'ny fanarenana ny ala ao aminy ny vovonam-pikambanana Union Matanjaka any amin'ny Faritr'i Diana... ♦ Nitsidika any Meksika ny lehiben'ny diplômasia amerikana, momba ireo mpitsoam-ponenana mihazo an'i Etazonia no votoanton'ny dia...

Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nisy nanafika ny tranon-dry Mompera ao Tanjomoha Distrikan'i Vohipeno. Mpiambina iray no maty nandritra ny fifandonana... ♦ Nanamarika ny faha-51 taona nijoroany ny antoko MFM. Tsy mitsahatra mandrisika ny hisian'ny fifampidinihana hikarohana vahaolana hisian'ny fifanarahana pôlitika ity antoko ity... ♦ Mangataka ny hameranana ny fandoavan-ketra mivantana eny anivon'ny kaominina ireo ben'ny tanàna mandrafitra ny Ivom-panajariana an'Antananarivo na ny IPAM. Niatrika fivoriambe teny Anosy izy ireo omaly... ♦ Mitohy ny zera baomban'ny tafika israeliana any Gaza. Maherin'ny 21.000 ankehitriny ny isan'ny palestiniana maty. Nahery vaika omaly ny fifandonan'ny Tsahal sy ny Hesbolah libanais...

Ny anton'ny fahatongavana ho nofo dia ho fanatontosana ny asa famonjena. Araka ny fiekem-pinoana Nicée-Constantinople hoy isika hoe "... ary isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin'i Maria Virijiny Izy noho ny herin'ny Fanahy Masina ka tonga olombelona". Raha tena mino an'i Jesoa tonga olombelona dia miezaha ho mendrika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Feno 51 taona katroka androany ny antoko MFM. Antoko nandray anjara hatrany tamin'ny raharaham-pirenena ny MFM tao anatin'izay fotoana izay, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko... ♦ Ahiana ny mety hisian'ny fiforonana tangoron-drahona ao amin'ny lakandranon'i Môzambika amin'ny faran'ny herinandro izao. Mety hifanitsy amin'ny fanaovam-beloma ny taona 2023 sy ny fitsenàna ny taona vaovao ny toetr'andro ratsy aterak'izany... ♦ Tapaka ny lalam-pirenena faha-4 mankany Mahajanga noho  ny fahasimban'ny tetezam-by ao Antsevabe. Miato ora maromaro isan'andro ny fifamoivoizana any an-toerana, noho ny fanamboarana hatramin'ny 2 janoary 2024 izao...

Ny toe-tsaina fototra entina miatrika fiainana no loha-hevi-dehibe noresahina nandritra iny taona iny : Fahaizana mandanjalanja, fahaizana manaiky sy miatrika fiainana, finiavana hanao ezaka ho fampandrosoana ny firenena,  fametrahana toe-tsaina tia mifaninana, fanomezana hasina ny tena sy fanajana ny hafa, fitazomana ny teny nomena, fahaizana miaro sy mitantanana ny tontolo iainana mba ho lovain-jafy. Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

♦Nisy nanafika alina ny tranon'ny Mompera ao Tanjomoha ao Vohipeno, izay misy ny ivon-toerana fitaizana ireo olona manana fahasembanana. Maty nandritra ny fifandonana ny mpiambina... ♦ Naato aloha ny famadihana ho zezika ireo vary simba tao amin'ny Vima ex-Sotema ao Mahajanga. Miparitaka mantsy ny feo fa efa misy mivarotra ao amin'ny Faritra Boeny ireo vary simba ireo... ♦ Hijoro sy hilanja ny faneva hametraka ny foto-kevitra nijoroan'ny antoko MFM ireo vato nasondrotry ny tany. Manentana ireo mpisehatra pôlitika hiara-hisalahy ao anatin'ny manda tehezana handala ny teny ierana sy ny fanovàna ny antoko izay mankalaza ny faha-51 taonany...

♦ Hisy fiovàna ny sarin'ny filohan'i Repoblika hapetaka any amin'ny rindrin'ireo biraom-panjakàna rehetra manerana ny nosy. Namoaka tamin'ny fomba ôfisialy izany sary izany ny Fiadidiana ny Repoblika omaly... ♦ Nahatrarana vary efa simba 50 kaontenera nokasaina hodiovina tany Mahajanga omaly. Olona miisa 5 no efa natao fanadihadiana momba izao raharaha izao. Nogiazana ny fiara maromaron'ilay orinasa mpanadio ireo vary ireo... ♦ Olona miisa 4 hita faty tao an-drenivohitra nandritra ny fetin'ny Noely teo, raha ny tatitry ny Pôlisim-pirenena. Nahatratra hatrany amin'ny 65 isa ireo nosamborina... ♦  Olona 160 no maty vokatry ny fanafihana nataona vondron'olona mitam-piadiana tany Nigeria...

♦ Nitatitra ny zava-nitranga nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Noely faran'ny teo ny Polisim-pirenena. Nambara tamin'izany fa niisa 65 ireo olona voasambotra tao Antananarivo nandritra ny fety... ♦ Ankizy maherin'ny 1000 isa, marary any amin'ny hôpitaly, no nisitraka hafaliana nahazo fanomezana avy amin'ny mpiasa mpanao asa an-tsitrapo ao amin'ny orinasa Orange Madagascar nandritra ny fetin'ny Noely... ♦ Miatrika ny lasim-pivondronana any Antsirabe mandritra ny herinandro nanomboka androany ny Antilin'i Madagasikara Fivondronana V007, ao amin'ny EKAR Notre Dame de Lourde Fihaonana, Diôsezin'i Miarinarivo... 

Fomba maro no entin'ny raiamandreny mampita mistery lehibe amin'ny zanany raha miresaka ankohonana isika : satria Andriamanitra tonga zazakely dia atao fetin'ny ankizy ka fanomezana kilalao no tandindon'izany, anefa dia takona ilay tena fototry ny famonjena sy ny tantara noho ireny. Manana adidy ny raiamandreny hitondra fanazavana sy fampahafantarana ny tena voalazana ara-Tsoratra Masina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦  Olona 7 no maty, marary 150 no nandalo fitsaboana teny amin'ny HJRA Ampefiloha, nialoha sy nandritra ny fetin'ny Noely omaly. Jiolahy 5 saika hanafika ihany koa no lavon'ny mpitandro filaminana... ♦ Mitaky ny tokony efa handinihina ny fisondrotan-karaman'ny mpiasa ho an'ny taona 2024 ny FISEMARE. Miantso ny vondron'ny mpampiasa ity sendikà ity mba hanome karama mahavelona ny mpiasa, noho ny fidangan'ny vidim-piainana amin'izao... ♦ Mety mbola hitohy amin'ity herinandro ity ny oram-baratra ka tombanana hiitatra saika amin'ny Faritra rehetra manerana ny nosy izany manomboka ny alakamisy izao hoy ny vinavinan'ny Météo. ho an'ny herinandro hamaranana ny taona...

♦ Niatrika ny fetin'ny Noely tao anaty filaminana ny Malagasy rehetra hatramin'ny omaly. Nosembanin'ny oram-be sy avandra izany fety izany ho an'ny toerana teo Antananarivo ho an'ny omaly tolak'andro...  ♦ Tsy dia nisy loatra ny fiatoana toe amin'ny sehatry ny pôlitka na ny "trêve politique" noho ny fetin'ny Noely sy ny taom-baovao. Anisan'ireo tsy nampihatra izany ny antoko MFM noho ny fahitan'izy ireo ny raharaham-pirenena tato anatin'ny 3 volana farany... ♦ Midina eny amin'ny Fokontany eto amin'ny Faritra Analamanga manomboka izao ny FISEMARE, mampahanfantatra ny rehetra fa zava-dehibe ny fidirana anaty sendikà. Tsy ny mpiasa amin'ny orinasa ihany no tokony hiditra sendikà sy arovana amin'ny zony hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...