Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 1-7)

I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana.

Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,
momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy:
— mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma,
izay olo-masina voaantsony:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4

Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy azy ny tanany havanana,
nanampy azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.

Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.
Zahao ry vazan-tany rehetra
ny famonjen’ny Andriamanitray.

Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.
Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna,
amin’antsiva sy feon’anjomara.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:

“Taranaka ratsy itý taranaka itý;
mitady famantarana izy,
nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý
ny mpanjakavavy avy any Atsimo
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý
ny olona tany Niniva
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6-10a)

Hanomana fanasana ny Tompo, ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity,
ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”.

Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny eo amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 12-14. 19-20)

Efako ny zavatra rehetra eo amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana,
haiko ny mihafy, haiko ny manam-be.
Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho,
ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona,
na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra,
araka ny hareny,
hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:

‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’

Fa sina ilay olona:
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:

‘Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’.

Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-10)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…

Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 4, 12-21)

Raiso ny antsy fijinjana, fa masaka ny vary.

Izao no lazain’ny Tompo:
Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian’izy ireo.
Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo
ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
Hierona avy ao Siôna ny Tompo,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Amin’izany andro izany,
dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà,
hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo,
ka handena ny lohasahan’i Akasià.
I Ejipta kosa hanjary tany lao,
i Edôma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby.
Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12

Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo.

Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo;
koa samia manao korana ianareo nosy maro;
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e!
ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.

Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.

Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —

“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)

Ny andron’ny Tompo, dia andro maizina sy manjombona.

Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:

“Indrisy itý andro itý!”

fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9

Mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana ny Tompo.

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!

Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.

He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:

“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”

Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:

“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:

‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’

Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:

“Inona no resakay momba Anao?”

Izao no nolazainareo:

“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”

Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:

‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,

ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:

‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’

Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 4, 1-11)

Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe?

Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva,
ka tezitra terý izy.
Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe:

“Indrisy, Tompo ô!
Tsy izao indrindra va no nolazaiko,
fony aho mbola tany amin’ny taniko.
Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha,
satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
malain-kitezitra, be fitiavana Ianao,
ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Koa ankehitriny, Tompo ô,
esory amiko ny fanahiko,
fa aleoko maty toy izay velona.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo:

“Mety va ny hatezeranao?”

Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa,
ka nipetraka teo atsinanan-tanàna,
nanao trano rantsan-kazo ho azy,
sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io
mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.
Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga,
izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa
mba hialokalofan’ny lohany,
mba hanafahana azy amin’ny alahelony
ka nahatsiaro faly erý i Jônasa,
tamin’ny tanantanamanga.
Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana,
dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga,
ka tonga maina izy.
Nony niposaka indray ny masoandro,
dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo
sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa;
ka efa àna mihitsy izy.
Nangataka ny ho faty izy nanao hoe:

“Aleoko maty toy izay ho velona.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa:

“Mety va izao hatezeranao,
noho ny amin’ny tanantanamanga izao?”

Ka hoy ny navaliny:

“Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.”

Dia hoy ny Tompo:

“Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao,
izay naniry tamin’ny indray alina monja,
dia maty tanatin’ny indray alina koa;
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva,
tanàna lehibe,
izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy,
tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany,
ary biby be dia be!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10

Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Itý fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo;
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy,
izany antso sy talahoko reneso.

Ary ireo firenena arianao,
ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
mahagaga raha ny asa vitanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:

“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay,
fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jôn. 3, 1-10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva, ary namindra fo Andriamanitra.

Tonga tamin’i Jônasa fanindroany ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.”

Dia nitsangana i Jônasa,
ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna,
lalana indray andro aloha i Jônasa,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rahefa afaka efapolo andro,
dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka,
ka niala teo amin’ny seza fiandrianany,
nanesotra ny kapaotiny,
mirakotra lasàka,
ary nipetraka teo amin’ny lavenona.
Ary nantsoina tao Niniva
sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka
sy ny mpifehy amin’izao teny izao:

“Aza misy manandrana zavatra akory
na miraotra sy misotro rano,
na olona na biby, na omby aman’ondry;
aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby;
ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra,
samy hiala amin’ny lalan-dratsiny
sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra
sy hitonen’ny hatezerany mirehitra,
ka dia mba tsy haripany isika.”

Nahita ny nataon’izy ireo
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 7-8

Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy re ’zany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no ahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.

Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray,
ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.
Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy,
izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be.
Dia niato kely izy ka nanao hoe:

“Tompoko,
tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?
Mba asaovy manampy ahy re izy.”

Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Marta, Marta,
maro tadiavina sy be tebiteby ianao,
nefa zavatra iray monja no ilaina;
fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra
izay tsy halana aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônas. 1, 1 — 2, 1. 11)

Nitsangana i Jônasa handositra ny tavan’ny Tompo.

Tonga tamin’i Jônasa, zanak’i Amati, ny tenin’ny Tompo,
nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe,
hitory ny hamelezana azy,
fa tafakatra hatratý amiko ny haratsian’izy ireo.”

Dia nitsangana i Jônasa handositra ho any Tarsisa,
lavitra ny tavan’ny Tompo.
Nidina tany Jôpe izy,
dia nahita sambo ho any Tarsisa,
ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy,
hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa lavitra ny tavan’ny Tompo.

Fa ny Tompo kosa nampifofofofo rivo-mahery eny amin’ny ranomasina,
ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina;
ny sambo efa nila ho vaky.
Raiki-tahotra ny matilò
ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy,
sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina,
mba hanamaivana azy;
fa i Jônasa kosa nidina tao am-bodisambo,
dia nandry ka renoka natory tao.
Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo,
ka nanao taminy hoe:

“Inona itý ataonao, no matory foana?
Mitsangàna, antsoy ny Andriamanitrao,
ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra,
ka tsy ho faty isika.”

Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe:

“Avia, hanao filokana isika,
mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika.”

Dia nanao filokana izy,
ka i Jônasa no voan’ny filokana.

Izay izy ireo nanao taminy hoe:

“Lazao anay re,
izay mahatonga izao loza izao amintsika!
Inona no raharahanao;
avy aiza ianao;
aiza no taninao;
ary inona no firenenao?”

Ka izao no navaliny azy ireo:

“Hebrio aho,
ary ny Tompo, Andriamanitry ny lanitra,
izay nanao ny tany aman-dranomasina,
no ivavahako.”

Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo,
ka nanao taminy hoe:

“Inona izany nataonao izany?”

satria fantatr’ireo olona ireo
fa nandositra lavitra ny tavan’ny Tompo izy,
fa efa nambarany taminy izany.
Ka hoy ireo taminy:

“Hataonay ahoana ianao,
dia hitony amintsika ny ranomasina?”

Fa mbola nihananonja nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina.
Ka hoy ny navaliny azy:

“Raiso aho,
ka atsipazo any anaty ranomasina,
dia hitony aminareo ny ranomasina;
satria fantatro fa noho ny amiko,
no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo.”

Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina,
fa tsy afaka;
satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.
Ka dia niantso ny Tompo izy nanao hoe:

“Endrey! ry Tompo ô,
aoka tsy ho faty noho ny amin’ny amin’itý lehilahy itý izahay
na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny,
satria Ianao no nanao araka izay sitrakao,
ry Tompo ô!”

Dia noraisiny i Jônasa,
atsipiny tany amin’ny ranomasina,
ka nitony ny fisafoaky ny ranomasina.
Ary raiki-tahotra mafy ny Tompo ny olona,
ka nanatitra sorona ho an’ny Tompo, sy raiki-boady.

Naniraka hazandrano lehibe anankiray ny Tompo
hitelina an’i Jônasa;
ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasa,
hateloan’andro sy hateloan’alina.
Dia nandidy ilay hazandrano ny Tompo,
ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Jôn. 2, 3. 4. 5. 8.

Mampiakatra ny aiko avy any an-davaka Ianao, ry Tompo.

Niantso ny Tompo tao anatin’ny fahoriako aho;
ary namaly ahy Izy;
nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly,
ka nihaino ny feoko Ianao.

Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany amin’ny ranomasina,
ka ny riaka nanodidina ahy;
ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra
nandeha teo amboniko.

Dia hoy aho hoe:
«Voaroaka tsy ho eo imasonao aho
nefa mbola hibanjina
ny Tempolinao masina.»

Raha reraka tao anatiko ny fanahiko,
dia nahatsiaro ny Tompo aho;
ka tonga hatrany aminao ny fivavahako,
hatrany an-tempolinao masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)

Iza àry no namako?

Tamin’izany andro izany,
nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:

“Tompo ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna
ary ahoana no famakinao azy?”

Ary namaly izy ka nanao hoe:

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy ny fanahinao rehetra,
sy ny herinao rehetra,
ary ny sainao rehetra,
ary ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Marina ny navalinao,
manaova izany dia ho velona ianao.”

Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Iza àry no namako?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nisy lehilahy anankiray
nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao,
azon’ny jiolahy,
ka nendahany ny lambany,
nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.
Dia nisy kosa mpisorona anankiray
nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo,
nahita azy, nefa nandalo ihany.
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny
tonga teo aminy,
ka nangoraka nony nahita azy.
Nanatona azy izy,
dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy,
vao nampitaingina azy ny soavaliny,
sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy.
Nony ampitso,
dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano,
ary nataony hoe:

‘Tsaboy izy,
ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny,
dia honerako rahefa miverina aho.’

Iza amin’izy telo lahy
no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna:

“Ilay niantra azy.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...