Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl. 17, 19-24)

Miverena amin’ny Tompo ary mialà amin’ny tsy fahamarinana.

Izay mibebaka, dia eken’Andriamanitra ny hiverenany,
ary izay very fanantenana, alany alahelo.
Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;
mivavaha eo anoloan’ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.
Miverena amin’ny Avo indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,
ary ankahalao mafy izay vetaveta.
Iza no hidera ny Avo indrindra, any amin’ny Seoly,
hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra Azy?
Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,
fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.
Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!
sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.

Mifalia ao amin’ny Tompo, miravoa, ry olo-marina.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany!

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika
mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Amidio ny fanananao, dia avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany.”

Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:

“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”

Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:

“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza àry no mety ho voavonjy?”

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:

“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:

“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.

Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 3b-7. 12-13)

Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika.

Ry kristianina havana, tsy misy afa-milaza hoe:
“i Jesoa no Tompo”,
raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;
maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany,
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra
izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy,
mba hahasoa ny be sy ny maro.
Fa toy ny maha iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika na Jody na Jentily,
na mpanompo na tsy mpanompo;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa amin'ny Fanahy Masina

Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

  1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa,
    Avia re, Mpisolo vava anay.

  2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
    Fa maminay e ny honenanao.
    Avia re, Mpamelombelona ô.

  3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro,
    Avia re, Mpanampitamby ô.

  4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon’izay rehetra mino Anao:
    Avia re, ry hasambaranay.

  5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
    Dia zava-poana feno fahotana,
    Avia re, ry Mpankahery anay.

  6. Diovy re ny fo izay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
    Avia re, sitrano ny fonay.

  7. Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay,
    Avia re, Mpanitsy dia anay.

  8. Ireny fanomezanao fito
    Omeo anay vahoaka mino Anao,
    Avia re, matoky Anao izahay.

  9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety,
    Omeo anay ny hasambaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino;
ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa: Raiso ny Fanahy Masina.

Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina,
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...

♦ “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona”. Io no lohatenin'ny hafatra izay natolotry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny niatrehan'izy ireo ny Fivoriambe sy ny laretirety, izay nanomboka ny 1 mey 2023... ♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

Hotanterahina ny 02 jolay 2023 ny fanamasinana ho Eveka an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, koa manentana ny vahoaka ao Menabe mba hitondra am-bavaka azy ny Evekan’i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina...

Manoloana ny fenendrena dia maneho ny fankasitrahana ny Fiketrahana Masina sy mitondra ny teny fiarahabana ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina.

Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.

Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24, 16)

♦ Anisan'ny nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpanabe androany, ny tao amin'ny sekoly Stella Maris Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny Andro Nasiônaly ho an'ny TAMPIKRI, ka nanatanteraka hetsika manokana ny TAMPIKRI tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny EKAR Notre-Dame de Fatima Ambohipeno, Distrikan'Andranomadio, Diôsezin'i Tsiroanomandidy...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)

Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka izy ireo.

Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 4. 7-8a

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo, any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)

Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy.

Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)

Ray ô, omeo voninahitra ny Zanakao.

Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:

“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)

Nakarina teo anatrehan’izy ireo Izy.

Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”

Fa hoy ny navaliny azy ireo:

“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.

Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:

“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby, ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)

Napetraky ny Ray eo ankavanany any an-danitra Izy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:

“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...