♦ Voasazy higadra 10 taona miampy fandoavana lamandy 52miliara Ariary ireo telolahy voasaringotra tamin'ilay fanondranana volamena 73,5 kg tany Afrika-Atsimo, tamin'ny faran'ny taona 2022... ♦ Efa mahatratra 1 tapitrisa ankehitriny ny olona nisitraka kara-panondro, olona feno taona kanefa tsy nanana izany teo aloha, avy amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy, vokatry ny ezaka manokana hampananana ny Malagasy ny zo maha-olom-pirenena azy... ♦ Olona 30 isa no efa matin'ny kere, vokatry ny fihinanan-javatra tsy mahasoa, tany amin'ny kaominina Mahabo, disitrikan'i Betroka tato anatin'ny fotoana fohy... ♦ Misedra olana ny orinasa Fifamanor any Antsirabe. Efa tamin'ny volana avrily teo ireo mpiasa no nandray karama farany...

I Piera no natsangan'i Jesoa Kristy ho filohan'ny Apôstôly ; ny Papa dimbiny no filohan'ny Eveka sy ny Kristiana rehetra. Ary tsy mety diso ny fampianarana ataony momba ny finoana sy ny fitondran-tena. Ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy na ny fiangonana dia ambarany mazava fa i Jesoa Kristy Mpiandry ondry mandrakizay no nanorina ny Eglizy masina. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Mba haha-iray tsy mivaky na dia ny fivondronan'ny Eveka aza, dia nofidian'i Jesoa Kristry i Masindahy Piera hitarika ireo Apôstôly sisa rehetra. Najorony izy ho loha sy fototra, mandrakizay sy hita maso, ho an'ny finoana sy ny fiombonan'ny Eglizy manontolo. Araka izay voalazan'ny Soratra Masina : Ianao no Piera Vato, eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko... Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny Eveka no mpandimby ny Apôstôly sy Mpitandrina izay miara-miasa akaiky amin’ny Vikeran’i Kristy. Mpiara-miombon’antoka amin’ny famahanana ny ondriny ny Eveka, tsy mpiasa izy ireo fa tena tompony izay nanankinan’i Kristy fahefana hanamasina ny olony. Tao anatin'ny vavaka tamin'ny Rainy no niantsoan'i Jesoa Kristy ireo Apôstôly 12 mba hiaraka aminy sy hirahiny. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny Eveka dia miantoka ny fitoriana ny Evanjely mandrapahatapitr'izao tontolo izao. Ny pretra dia mpanampy mahatoky sy mahefa indrindra an'ny Evekany, ka raisin'ny eveka ho toy ny zanaka sy sakaiza. Ny mihaino azy ireo dia mihaino an'i Kristy ary izay manamavo azy ireo dia manamavo an'i Kristy sy tsy manaraka azy. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Araka ny anjara raharaha omen'ny Eveka hiandraiketany, ny Diakra dia afaka manao batemy, mitsodrano mariazy, mizara Kôminio, mikarakara ny Latabatra Masina, mamaky ny Soratra Masina, miahy ny mahantra. Amin'ny anaran'ny Eglizy no hanatanterahany izany fanompoana masina izany. Lehilahy tsara laza, feno Fanahy Masina ary fahendrena ny olona voafidy ho Diakra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

I Jesoa, Mpiandry ondry tsara, no nanorina ny Eglizy ary nataon'ny rafitra antanatohatra izany fa tsy demôkratika. Ny Papa dimbin'i Piera no Filohan'ny Eglizy sady Vikeran'i Kristy. Ny Eveka izay dimbin'ny apôstôly no Mpiandry Ondry miara-miasa akaiky amin'ny Vikeran'i Kristy. Ny Pretra dia mpanampy mhatoky sy mahefa indrindra ho an'ny Evekany. Ny Diakra dia lehilahy feno fahendrena. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Araka ny fampianaran'ny Eglizy hita ao amin'i Foto-pampianarana momba ny Fiangonana Fahazavan'izao tontolo izao, ny antsoina hoe "laika" dia ny kristiana rehetra tsy nandray ny sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Vita batemy ao amin'i Kristy izy ireo ary misy zavatra manandrify azy noho ny anjara toerany sy ny adidiny. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Voalazan'i Masindahy Paoly fa isika rehetra dia tsy maintsy manaraka ny marina am-pitiavana, ka hitombo hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha dia i Kristy. Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny ratsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tena amin'ny fitiavana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Manana fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Tokana ny vahoaka nofidin'Andriamanitra : tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray. Noho izany, iombonana ny fahamendrehana satria samy nateraka indray tao amin'i Kristy. Tsy misy eo amin'ny Kristy sy ny Eglizy ny fanavakavahana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny mpitondra ao amin'ny Eglizy dia mahatsapa sy mahalala tsara fa mavesa-danja ny anjara asan'ny lahika eo amin'ny fanasoavana ny Eglizy manontolo. Io anjara asa io dia ny fandraisana anjara amin'ny asan'i Kristy Mpisorona, Mpaminany sy Mpanjaka, ary misahana araka ny tandrify azy ny asan'ny vahoaka kristiana manontolo eo amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Nantsoina hizaka ny zavatry ny tany ny lahika. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...