Marina ny voalazan'i Jesoa fa maro ireo mivavaka ao anatin'ny fihatsarambelatsihy fotsiny. Izany hoe mivavaka amin'ny lalàna sy ny fisehosehoana ety ivelany. Ireo tenin'i Jesoa sy traikefa nananany dia efa ampy mahafaoka ny "fanompoana andrimanitra tsy izy". Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny Bokin'ny Detoronomy dia milaza amintsika mazava hoe "henoy ry Israely : ny Tompo Andriamanitrao no hany Tompo Tokana. Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra ary amin'ny herinao rehetra. Mila tia an'Andriamanitra tokana isika, mila mitsaoka Azy ao amin'ny Sakramenta Masina. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy Masina irery no hany Tompo Tokana mila tiavina sy tsaohana ary ivavahana satria Izy no Mpahary sy Mpanavotra ary Mpanamasina antsika olombelona. Efa nodiovin'ny Ran'i Kristy izao rehetra izao ary efa nametrahany ny Fanahiny ny Eglizy mba hizoran'ny fiainan'ny zanak'olombelona ho amin'ny fahasambarana tanteraka. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Mipetraka ny fanontaniana manao hoe : inona no antom-pisiantsika olombelona ety an-tany? Maro ny hamaly hoe : hikaroka fahasambarana. Marina izany, noharian'Andriamanitra mba ho sambatra tokoa isika. Maro anefa no diso lalana amin'ny fikarohana izany fahasambarana izany, misy mihevitra fa fananana vola izany na harena sy voninahitra... Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Tsy mifanohitra ny fiainana andavanandro sy ny fiainana maha-kristianina fa mifameno tokoa ary tena mampivelatra ny maha-olona raha hita ilay lalam-baovao tokony hizorana. Ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra voalohany dia ny fanohizana sy fanatsarana ny asa-pahariana efa nataony. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Misy ireo fianakaviana no tsara halaintahaka. Ohatra ny fianakavian'i Louis Martin sy Zélie : azo lazaina ho mendrika sy lavorary amin'ny fifampitondrana mankeo amin'Andriamanitra. Izy iray ankohonana mihitsy no lasa olomasina hajain'ny Fiangonana. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Mba hizorana amin'ny lalam-baovao takian'ny Evanjely dia tsy maintsy miezaka isika, na ny isam-batanolona na isam-pianakaviana mba hiaina ny fahantrana hatoron'ny Vaovao Mahafaly. Io fahantrana io dia mifototra indrindra amin'ny hoe tsy miankina amin'ny zavatry ny tany, fa mametraka tanteraka ny fahatokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Tsy ampy hanarahana an'Andriamanitra ny fitandremana ny didiny, fa tsy maintsy mahafoy izay rehetra hananana koa isika hahavanona izay fanarahana azy izay. Satria ny lalam-baovao no takin'ny Evanjely dia mazava ny lalana fa ny fiandahana amin'ny harena mandalo, izay tsy ahitàna fahasambarana afa-tsy eto an-tany ihany. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Tsy misy na dia iray aza amin'ny fampianaran'ny Evanjely ka mampianatra na mandrisika antsika hanao ratsy. Matetika dia ny lalan'ny fitiavana sy ny fanetre-tena no atoron'i Kristy ho an'izay te hanaraka azy. Fianakaviana lavorary izay fianakaviana mahay mifampitondra eo amin'Andriamanitra, noho izany dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Ny lalam-baovao tsy maintsy hizoran'ny kristiana voalohany dia ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra. Ny lalam-baovao faharoa dia ny fiaraha-miasa amim-pahatsorana, amin'ny samy olombelona. Ny lalam-pahafahana dia ny fandrodanana ny fefin'ny haratsiana rehetra ka mizotra hatramin'ny lalan'ny tena fiainana dia i Kristy. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
I Kristiy no nanorina ny Sakramentan'ny Batemy mba hahafahan'ny olombelona ho tonga zanak'Andriamanitra satria noho io Sakramenta io dia afaka amin'ny fahotana tamin'ny fototra isika sy nandova ara-dalàna ny tena endrik'Andriamanitra araka ny efa nahariana antsika. I Jesoa Kristy dia nanaiky atao Betemy tamin'ny alalan'i Joany Batista. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco