♦ Nahazo ranom-panafody famonoana valala 40.000 litatra avy amin'ny Fanjakana Marôkanina i Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin'ny FAO ny fitaterana izany... ♦ Mangataka ny tsy hanaovana saorona ny zana-bahoaka amin'ny fanaovana Oniversite Maty ny fikambanan'ny tanora avara-pianarana na ny FITAMA. MItaky fifampidinihana eo amin'ny Fanjakana sy ny Seces izy ireo... ♦ Miantso ireo mpitantana ao amin'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra tsy hamotika ny ho avin'ny baolina kitra eto Madagasikara ny malagasy teknisianina mahay sy zatra ity taranja ity...

♦ Velaran-tany mirefy 140.000 hekitara no hofendrahana fanafody famonoana valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Ranom-panafody mifatra 40.000 litatra hiadiana amin'ny andiam-balala no noraisina tamin'ny fomba ofisialy teo Ivato androany... ♦ Noraisin'ny Bianco, hanaovana fanadihadiana lalina, ny fitorian'ny Randrana Sendikaly momba ilay raharaha fivoahan'ny volabe teo anivon'ny CNaPS...

Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.

Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.

♦ Tsy eken'ny antoko Tiako i Madagasikara ny fananganana ny Vovonana Miara-manonja... ♦ Tsy zarizary avokoa ny 77%-n'ny toeram-ponenana an-tanan-dehibe eto Madagasikara. Mamolavola paikady hampihenana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nahazo lalana, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, hanototra tany eny Andavamamba, hanatanterahana ny tetikasa "Produir" ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany...

♦ Ao anatin'ny fandinihana lalina ny fiainam-pikambanana tanterahana isaky ny 3 taona, ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. "Chapitre provincial" tanterahana ety Ivato, nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao... ♦ Hanao ny Oniversite maty indray ny SECES, manomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Miantso an-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana hisintona ny fitoriana an-dRamatoa Raharinirina Clémence, ny Solombavam-bahoaka TIM, Ralambozafimbololona Fetra...

♦ Miatrika "Chapitre provincial" ety Ivato, hatramin'ny alahady izao, ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Hisy indray ny hetsika "Université Morte" hataon'ny Sendikan'ny Mpampianatra mpikaroka manomboka ny alatsinainy izao... ♦ Efa eny anivon'ny Bianco ilay fitorian'ny Randrana Sendikaly, ny Tale jeneralin'ny CNaPS sy ireo mpikamban'ny Filankevi-pitantanana, momba ilay fivoahan'ny volabe tao...

♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...

♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...

♦ Ny telo tamin'ireo Minisitra vaovao fito ao anatin'ny Governemanta ankehitriny no efa nanatitra ny fanambaram-pananany teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Tranga herisetra ara-nofo sy fanolanana enina no voarain'ny firaisamonim-pirenena Nifinakanga, tamin'ny taon-dasa tany amin'ny Faritra Atsinanana. Very an-javona avokoa anefa ny fitoriana mikasika ireo raharaha ireo rehefa tonga teny anivon'ny Fampanoavana...

♦ Tetikasa roa mitentina 534,9 tapitrisa dolara no natao sonia tany Washington, DC, afakomaly. Ny iray iarahan'i Madagasikara amin'ny Banky Iraisam-pirenena, ny iray kosa entina miatrika ny valan'aretina Covid-19... ♦ Ampy ny famatsiana solika eto Madagasikara. Efa nigadona tany Toamasina omaly ny sambo nitondra ireo solika nafarana, mahatratra 74 tapitrisa litatra... ♦ Tsy azo ihodivirana intsony ny fampiharana ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara, manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro...

♦ Tsy misy ahiana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola maharitra iray volana eo ny tahiry ho an'ny Faritra samy hafa eto amin'ny nosy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ny sambo mitondra ny solika nafarana avy any ivelany... ♦ Nikaon-doha momba ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana ireo mpisehatra samihafa androany. Resy lahatra ireo tantsaha mampihatra ity fomba famokarana ity fa nanatsara ny velon-tenany ny fanaovana izany... ♦ Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy hatramin'ny zoma ho avy izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...