Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.
Talata 07 aprily 2020 — Talata masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38 — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak'ondry bonaika hovonoina.
♦ Niakatra ho 70 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra omaly hariva... ♦ Nilaza ny Filoham-pirenena omaly hariva fa hahazo arovava na "cache-bouche" avokoa ny isan-tokantrano. 5 tapitrisa no kendrena hovokarina... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety an-tranokalam-pifandraisana iray omaly ny OMS...
♦ Nitombo enina indray ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tarehimarika ofisialy... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety iray an-tranonkala na en ligne androany ny OMS... ♦ Natomboka androany ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra, nanadihady ireo olona heverina fa nifanerasera tamin'ireo olona teny ISotry efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus...
♦ Hidina ifotony any amin'ireo fokontany nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus vokatry ny fifaneraserana tamin'ireo olona mitondra izany ny tompon'andraiki-panjakana. Hanao fanadiovana faobe. Isan'izany ny eny Isotry sy Ambondrona ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka haneho ny Fihavanana, isan'ny soatoavina nolovaina tamin'ireo ray aman-dreny tany aloha, ny mpampaka-teny ankapoben'ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny CFM...
♦ Niampy iray indray omaly ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. 59 izany izao no totalin'ireo voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina eto amintsika... ♦ Hanao fanadiovana faobe eny amin'ny toerana nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifaneraserana tamin'ireo olona nitondra izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nandray fepetra momba ireo mpiasa voamarina fa mitonfra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ao amin'ny orinasa Ambatovy...
Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.
♦ Olona iray indray androany no voaporofon'ny teo anivon'ny Institut Pasteur fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. 59 izany izao ireo olona voamarina ireo eto Madagasikara... ♦ Tapaky ny Filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny CCO Covid-19 fa hanaovana fandiovana faobe eny amin'ireo toerana nahitana ireo "cas contacts" na olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifampikasohana...
Alatsinainy 06 aprily 2020 — Alatsinainy masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11 — Arahaba, ry Mpanjakanay ! Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.
♦ Hovatsiana tampim-bava iray isan-trano ny fianakaviana hoy ny Filoham-pirenena hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19 amin'ny alalan'ny fifaneraserana... ♦ Nihaino sy nanoro hevitra ireo tompon'andraikitra samihafa tany Mahajanga amin'ny ady atao amin'ny fihelezan'ny tsimok'aretina Coronavirsu ny Praiministra Ntsay Christian...
Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco