♦ Hampihena sy hanalefaka ny voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary, toy ny haintany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny tetik'asa Avotse... ♦ Mihamahazo vahana tato ho ato ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo, ary ny fanapariahana sary mamoafady mianjady amin'ny ankizy amin'ny alalan'ny Internet... ♦ Nanomboka androany ary haharitra dimy andro, eny amin'ny MAKI Andohatapenaka, ny FIERMADA, tsenabe mahakasika ny toekarena ambanivohitra eto Madagasikara...

♦ Hifarana anio ny fe-potoana 48 ora nomen'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamahana ny olan'ny mpianatra eny amin'ny polytechnique Vontovorona... ♦ Hiroso amin'ny fanamboarana ireo làlana tena ratsy ao Antsapanana miazo an'i Moramanga sy Brickaville miazo an'i Toamasina ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ I Madagasikara no handray ny fivorian'ireo firenena mpikambana anatin'ilay fifanarahana Naérobie aty andrefan'ny fari-dranomasimbe Indiana na ny COP 11, ny 20 hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao etsy amin'ny CCI Ivato... Nofidian-dRamatoa Kamala Harris ho mpiara-mihazakazaka sy mpiray lisitra aminy amin'ny fiatrehana ny fifidianana filoha any Etazonia i Tim Walz...

♦ Novelabelarina nandritra ny andro fahaenina amin'ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tanterahana ao Roma renivohitr'i Italie ny momba ny asa fanaovan-gazety kirakiraina amin'ny alalan'ny "Mobile Journalism"... ♦ Tsy manara-dalàna ary mandika ny lalam-panorenana ny programan'asa ho fanatanterahana ny PGE izay hatolotry ny praiministra eny anivon'ny antenimiera raha tsy faritana sy tapahina eo anivon'ny filan-kevitry ny governemanta hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Avotry ny mpitandro filaminana ireo folo lahy nisy naka an-keriny tao amin'ny kaominina Ambohibary Vohilena, Disitrikan'Anjozorobe...

Misy ireo manao vavaka mba hahazoana doka na dera fotsiny, izany he mivavaka mba hitady voninahitra ho an'ny tenany. Misy ireo mandeha mivavaka mba hampidera haingo sy lamaody fotsiny mba ho hitan'ny olona fa tsara endrika sy mendrika eo anivon'ny fiaraha-morina. I Jesoa dia manitsy an'io fomba fivavahantsika io ka milaza hoe : raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpiatsaravelatsihy... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...