Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...
♦ Tsy afaka manao mpanolotsain'ny tanàna na mpanolotsaina monisipaly intsony, ny loha listra tsy lany tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna, raha ny voafaritry ny lalàna... ♦ Manentana ireo vehivavy hiroso amin'ny fandraisana andraikitra eo amin'ny sehatra pôlitika ny Filankevi-Pirenena ho an'ny Vehivavy eto Madagasikara, na ny CNFM... ♦ Tombanana hitombo 14%, raha oharina amin'ny tamin'ny taon-dasa ny tahan'ny fampidiran-ketra amin'ity taona 2023 ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Hetra...
Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
♦ Mbola tena ambany ny taham-pandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara. Latsaky ny 11% izany, raha ny tatitry ny CNFM... ♦ Manomboka ho velom-bolo ireo mponina any amin'ny Distrikan'Ankazobe ankehitriny, manoloana ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, hiadiana amin'ny fakana an-keriny... ♦ Dingana iray ahafahana mampiroborobo ny indostria ny fametrahana ny foibem-pitantanana CGASIM...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco