21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
♦ Niakatra Fampanoavana androany, ny mpitandro ny filaminana 9 sy olom-boafidy roa ary olon-tsotra 5, voasaringotra tamin'ny fakana an-keriny tany Ankazobe... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivoho frantsay, teny Ambatomena, indray androany ny Antenimieran'ny Ray aman-dReny ara-drazana sy Foko eto Madagasikara, na ny ARFM... ♦ Velon-taraina ireo mpampianatra mbola tsy nisitraka tambinkarama efa ho folo volana, any amin'ny CISCO Mandritsara...
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)
Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:
“Avy aiza ianao?”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”
Dia hoy i Davida taminy:
“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”
Ary hoy izy:
“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”
Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:
“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 79, 2-3. 5-7
Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mila mahay maka lesona tamin'ireo fomba fitantanana tsy mahomby teo aloha ny filoha Rajoelina Andry hoy ny Filohan'ny antenieran-doholona jeneraly Richard Ravalomanana... ♦ Nampidi-bola 32 tapitrisa Euro tao anatin'ny Kitapom-bolam-panjakàna ny taona 2023, ny fanondranana ireo asa-tanana Malagasy tany ivelany... ♦ Tokantrano miisa dimy ahitana fianakaviana 120 isa no ahiana ho rava fananana sy tsy hanan-kialofana noho ny resaka ady tany ao Ambohitraivo-avaratra, kaominina Ambohidratrimo... ♦ Mifidy izay ho filoham-pireneny ny any amin'ny repoblika Demôkratika an'i Congo amin'ity anio ity...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco