♦ Milanja sora-baventy mihazo ny tanànan'i Ihosy ireo mponina ao amin'ny tanànan'i Ifandana, Kaominina Zazafotsy. Hihaona amin'ny tompon'andraikitra izy ireo ary hitady ny marina momba ny olana ara-tany sedrainy ankehitriny... ♦ Mbola mamita sazy ao amin'ny fonjan'i Tsiafahy Andriamatoa Paul Rafanoharana hoy ny ministeran'ny Fitsaràna. Tsy marina ny feo miparitaka amin'izao fotoana izao fa nalefa any Frantsa izy... ♦ Mbola mila ezaka goavana ny fanatsaràna ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara mba hanatratrarana ny vina napetraka amin'ny mpizahan-tany ho tonga eto amintsika. Azo atao tsara ny manatratra mpizahan-tany iray tapitrisa eto amintsika hatramin'ny taona 2028 hoy ireo mpandraharaha misehatra amin'izany...

Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nandray fepetra maromaro hanamarika ny drafitr'asa 100 andro anombohan'ny fe-potoan-kiasany ny filohan'ny Repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly. Isan'izany ny fanampiana ny vahoaka manoloana ny fidangan'ny vidim-bary ankehitriny... ♦ Vahaolana hamahana ny olana miverimberina misy ankehitriny ny famadihana ho vina ireo filàna eny ifotony hoy Andriamatoa Herimanjaka Tsilavo Manantsoa. Mila mandray andraikitra haingana ny fitondrana hoy izy... ♦ Niakatra fampanoavana omaly ny mpitandro ny filaminana 9 sy olom-boafidy roa ary olon-tsotra 5 izay voasaringotra tamin'ny fakàna an-keriny tao amin'ny distrika Ankazobe...

Ny mpiasa tany amin'ny angadin'omby dia hireharehany ny asany ary ny resaka ataony dia tsy misy afa-tsy mahakasika ny asany. Ny mpandrafitra sy ny mpanorina trano dia tsy mikely soroka amin'ny asany, ny mpanao sary sokitra dia mitady fomba hahatsara ary manovaova ny sary asehony. Ny mpanefy dia miaritra ny hafanana sy ny enton'afo ary ny kotaba amin'ny fivelesana ny vy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...