♦ Misy fepetra, manomboka izao, tsy maintsy arahan'ireo mikasa hanao fihetsiketsehana pôlitika, araka ny fepetra noraisin'ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Mbola hanohy ny hetsika fanaony ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena anio. Hetsika izay ambaran'izy ireo hatrany fa diabe am-pilaminana... ♦ Niroso tamin'ny fandravana ireo mpianatra anaty efitrano, ireo mpianatra avy amin'ny Faculté an'ny Sciences, izay nanao fitokonana teny Ankatso, ho an'ny omaly...
Ny rafi-pandaminan'ny olona no tokony hifehy ny rafi-pandaminan'ny zavatra fa tsy ny mifanohitra amin'izany tsy akory : " Ny fanasoavana ny olona no tsy maintsy tsinjovina mandrakariva amin'ny fandaminam-bahoaka sy ny fandrosoany. Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin'ny fanatanterahany ny fepetra afahan'ny fikambanana sy ny isam-batan'olona mahazo ny zon'izy ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
20 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)
♦ Niantso ireo mpomba ho tonga hiaro azy eny amin'ny trano fonenany eny Faravohitra, ny kandidà Marc Ravalomanana. Antso, manoloana ny fisiana mpitandro ny filaminana tonga maro eny an-toerana, nanomboka ny tolakandro teo... ♦ Voasakana indray androany ny diabe nataon'ny vondron'ny kandidà 11 sy ireo mpomba azy teny Itaosy. Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Olona telo no naratra vokatr'izany, ankoatra ny fanagiazana ny fanamafisam-peo...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco