♦ Samy naneho ny heviny ireo kandidà h filoham-pirenena omaly, momba ny nandavan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ny fahefana nomena azy hitantana ny Firenena. Tsy afaka ny hanery azy ny HCC hoy ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Miantso ireo mpanao politika hampitsahatra ny fifampiatsiana amin'izao mialoha ny fifidianana izao ny ministry ny fiarovam-pirenena. Manana anjara andraikitra lehibe hampizotra ny fifidianana anaty filaminana ny Foloalindahy hoy izy... ♦ HIroso amin'ny fitokonana fanairana ireo mpiasan'ny Ministeran'ny toe-karena sy ny Vola. Hetsika ho fisintonana lakolosy manoloana ireo fitakiana nataon'izy ireo, efa iray volana sy tapany lasa izay, saingy mbola tsy nisy valiny...
Manohitra ny lalana voajanahary ao amin'ny fahasamihafana no hanorenan'ny fiaraha-monina raha toa ka irosoana ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ; ary voatohitohina ny asa fahariana, tapaka sy tsy misy fotohizan'ny aina. Ny tokantrano dia tsy maintsy misy ray sy reny ary zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
12 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
♦ Natao teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia, ny antsapaka nandaharana ireo kandidà 13 ao anatin'ny biletà tokana ho an'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Samy nanana ny heviny ireo kandidà, momba ilay nandavan'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ny fahefana nomen'ny Lalàna azy hitantana ny firenena, tao aorian'ny fametraham-pialan'ny Filoha amperin'asa... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana fanairana ny zoma izao, ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Vola. Hetsika ho fisintonana lakolosy, manoloana ireo fitakiana dimy efa nataon'izy ireo, efa iray volana sy tapany...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco