♦ Notsofin-drano ny alahady 10 septambra 2023 ny fiangonana Olontsambatra Jacques Désiré Laval, ao Sahavôla Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Notanterahina tao amin'ny diosezin'Antsiranana nandritra ny telo andro ny "Festival Diaconie de la beauté"... ♦ Nitsidika ny Papa François ny 11 septambra 2023, i Baselios Marthoma Mathews III, Metrôpôlitan'ny Eglizy malankara ortôdoksa ao Syrie...

♦ Fantatra araka ny hatsapaka natao io antoandro io, ny laharan'ireo kandida anatin'ny biletà tokana...  ♦ Fotoana mahabe ireo kaonty hosoka sy fandikan-dalàna amin'ny tambazotran-tserasera ny vanim-potoana akaiky fifidianana toy izao, ka nampahatsiahy, ny sazy araka ny lalàna mifehy izany ny sampandraharaha miady amin'ny heloka an'habaka...  ♦ Nahazo ny laharana faharoa maneran-tany teo amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny fibatana fonjam-by i Madagasikara tamin'ny alalan'i Rosinah... ♦ Lavin'ny fanjakàna marôkana ny fanampiana avy amin'ireo firenena maro any ivelany, na dia efa 2.100 mahery aza ny olona maty, ary manodidina ny 2.500 ny naratra vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tamin'ny zoma alina...

♦ Fiaraha-mitantan'ny Governemanta, eo ambany fitarihan'ny Praministra Ntsay Christian, ny fitondrana ny firenena amin'izao fotoana izao, araka ny fanapahana navoakan'ny HCC... ♦ Notokanana sy notsofin-drano omaly ny EKAR Olotsambatra Jacques Désiré Laval, any Sahavola, Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Afa-po tanteraka ny mponina any Alaotra-Mangoro noho ny  fahavitan'ny lalam-pirenena faha-44 , izay nofy ratsy niainan'izy ireo hatramin'izay... ♦ Any Maroc, tafakatra 2.100 isa ankehitriny ny olona namoy ny ainy, vokatry ny horohoron-tany izay nitranga tany an-toerana tamin'ny zoma hariva... 

Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...