♦ Hivoaka anio ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà afaka hiatrika ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan'ny andrasan'ny maro ny momba ny firotsahan-ko fidian'ny filoham-pirenena am-perin'asa, noho ireo fitoriana samihafa, momba ny zom-pireneny...  ♦ Tsy maintsy mametra-pialàna rahampitso ny filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina, raha ankatoavin'ny HCC ny firotsahan-ko fidiany. Tapitra ny fe-potoam-pitondràny, araka ny voalazan'ny Lalam-panorenana... ♦ Mitaky onitra omby 80 isa ny fianakavian'ireo tovolahy miisa 2, tsy manan-tsiny notifirin'ny Zandary tany Bebaboka-Maintirano. Hanatitra ny razana eny amin'ny foiben'ny Zandarimariam-pirenena izy ireo, raha tsy azo ireo omby ireo...

♦ Antoko telo manana kandidà amin'ny fifidianana no nametraka fitoriana teny amin'ny HCC omaly. Fitoriana mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha ankehitriny... ♦ Kandidà efatra no efa nisintona ny firotsahan-ko fidiany ho filoham-pirenena amin'ny 9 novambra. Nanapan-kevitra ny hiroso amin'izany koa omaly Ramatoa Annick Ratsiraka, natolotry ny antoko AREMA, araka ny fapitam-baovaon'izy ireo... ♦ Niakatra fitsaràna tany Londres omaly ilay raharaha nisamboran'ny Fitsaràna Britanika an-dRamatoa Romy Randrianarisoa, talen'ny fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha... ♦ Olona miisa 3 no nomelohin'ny fitondràna irakiana ho faty ka nahatona tamin'ny tady...

Ny tsy fananana asa dia miteraka olana eo amin'ny fampianarana zanaka. Vokatr'izany dia mitotongana ny fahalalana, mikoroso ny fanabeazana, porofo tsy mifanaja intsony ny eny anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Ny fitokisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka no manampy ny olona hiatrika ny olana sedrainy hitady sy hiezaka hiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

9 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...