♦ Nahavita fakan-kevitra ho enti-miatrika ny fikaonan-doham-pirenena ary hatolotra ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika natao ny faran'ny herinandro teo teto Antananarivo ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika (IFR)... ♦ Hatsangana amin'ity alatsinainy faha-11 mey 2026 ity, ny kômity hisahana ny fanatsaràna ny toby fiantsonana eny amin'ny fasan-karana... ♦ Fitrandrahana antsokosoko hazo sarobidy : Olona miisa 20 tra-tehaka tao anatin'ny alan'i Ampatakamaroreny-Mandritsara niaraka tamin'ny voamboana miisa 50 sy tracteurs miisa 2... ♦ Nandray ny toerana maha Praiministra an'i Hongrie azy Andriamatoa Peter Magyar...

Ny fifanomezan-tena ataon'ny mpivady amin'ny firaisana ara-nofo dia mitondra hafaliana sy fankasitrahana fa tsy maintsy ataon'izy ireo amin'ny fomba mendrika izany fa tsy sanatria manaonao foana mandika ny lalàn'ny natiora. Tena ambony ny hasin'ny fanambadiana kristiana, tonga vavolombelona manambara ny tsy fivadihana sy fitanana ny fifanarahana natao ny fahafoizan-tena ataon'ny mpivady manabe sy manolokolo ireo zanany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Eny, ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao tontolo izao, manjo indrindra ny mahantra sy ny mijaly dia mihatra ihany koa amin'ny mpianatr'i Kristy, dia izay rehetra kristianina vita Batemy. Tsy ny tena samy irery no soavina, tsy maintsy mifanasoa ny tany ama-monina, zava-dehibe ny soa iombonana, firaisan-kina ; tanana ny fitondratena mandresy ny tsy rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly tsy noterena ka tena mendrika ny olombelona. Mba hahavanona ny mariazy dia safidy malalaka ny hanambady sy hivady fa tsy an-tery ; fitiavana madio no fototra mampiombona ny mpivady. Ny fitiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly mandrakariva fa mahatsara fihavanana izany, safidy malalaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...