♦ Tsy marina ny vaovao niely tamin'ny tambazotra serasera fa misy ny didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga, raha ny nambaran'ny PAC tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly... ♦ Tontosa ny sabotsy teo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey Analakely ny lanonana nisaorana ny vahoakan'Antananarivo sy i Madagasikara manontolo, noho ny fahavitan'ny tolom-bahoaka... ♦ Manamboninahitra miaramila entitra manana fahitsiana sy fahamarinana no tokony ho tendrena ho praiministra hoy ny jeneraly Jean Alfred... ♦ Tsy voahaja sahady ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny Hamas sy ny tafika Israeliana...
---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.
Ny Teôlôjia dia sampam-pianarana manokana momba ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny Misterin'ny Finoana. Ny Teôlôjia ihany koa dia fianarana momba ny Fanahy Masina, Masina Maria, Jesoa Kristy ary ny Sakramenta, kanefa hoy tsy maintsy ny Soratra Masina mandrakariva no ifotoran'ireny fampianarana maro ireny, satria izy no aina mamelona ny Teôlôjia Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco