♦ Nanolo-kevitra amin'ny famolavolana Sata Manokana mifehy izao fitondrana tetezamita izao miainga amin'ny lalam-panorenena misy ankehitriny ny filoha nasiônalin'ny antoko Matsilo, Jeannot Randrianaivoarivony... ♦ Tokony hiainga eny amin'ny Fokontany hatrany amin'ny filohan'ny repoblika ny fanovan-drafitra hapetraka eto Madagasikara hoy ny Vondron'ny Fikambanan'ny mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo... ♦ Nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faharoa tao an-tampon-tanànan'i Moramanga omaly. Nitokona mitaky ny hiasan'izy ireo ao amin'ny faritry ny kaominina Ambohibary ny tompon'ny Bajaj sy ny mpitondra Bajaj...

♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...

Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

• Nandray ny asa maha Filoham-panjakana azy, nanomboka androany 17 oktobra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tontosa teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany, ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nadraisana ny fianianany amin'izany maha Filoha azy izany... • Nametra-pialana ny Governoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, Lova Paupil Razfindrafito. Fametraham-pialana noho ny fiovan'ny fahefana sy ny rafitra vaovao, araka ny nambarany... • Nivoaka tamin'ny fahanginany ary nanao fanambarana ho an'ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra androany, ny Ben'ny Tanana Harilala Ramanantsioa. Fanamby napetrany, hoy izy, ny fanadiovana sy ny fandaminana mba hisy fiantraikany mivantana ho an'ny mponina ny asa atao...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...