♦ Laha-dinika mandritra ny filan-kevitry ny ministra sy governemanta atao any an-drenivohitry ny Faritra Atsimo, ao Toliara anio ny momba ny fanantanterahana ny tetik'asa Base Toliara... ♦ Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT : 3.000.000 isan-taona ireo mpiasa mamoy ny ainy eo amperinasa manerantany... ♦ Norombahan'ny Profesora Lily Arison René de Rolland ny amboara ho an'ny "Prix Indianapolis 2025". Ny tenany izay nanompana ny fikarohany tamin'ny fiarovana ny vorona... ♦ Sokajian'ireo Kristianina ao amin'ny kaontinanta Aziatiaka ho Papan'ny olona mahantra sy ireo voahilikilika ary miasa ho an'ny fahamarinana ara-tsôsialy ny Papa Léon-XIV...
♦ Miantso ireo rehetra manam-baovao momba ny raharaha Tricha sy Raissa ny Brigade Criminelle mba hanome vaovao azy ireo, anio alarobia 14 mey no hiakatra fampanohavana eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny raharaha Raissa...♦ Vita sonia omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa SAHOFIKA. Ivon-toerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna tao Paris, sazy miantona 18 volana ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika malaza Frantsay Gérard Depardieu, noho ny resaka herisetra ara-nofo...
14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.
14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco