Fanombohan’ny Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 1, 1-4 ; 2, 1-5a)
Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy,
mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana
sy nanirahany anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;
ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy,
araka ny zavatra rehetra hitany.
Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin’ity faminaniana ity
ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.
Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany:
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana,
avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy;
avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana.
Manoratra ho an’ny anjelin’ny Eglizin’i Efezy:
Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana,
sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao,
mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy;
fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy,
ka hitanao fa mpandainga ireny;
ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka.
Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao.
Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha,
ka miverena amin’ny asanao voalohany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 12, 1-3)
Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay;
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana eo anoloanao,
hafinaretan-dava eo ankavananao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-14. 18)
Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny,
fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy;
ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe;
“Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe,
ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra,
hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Alaovy ho fanoharana ny aviavy.
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.
Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka it
mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala,
na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza,
afa-tsy ny Ray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny antson'Andriamanitra dia mila fikolokoloana, maro ireo andraikitra niantsonana ny tsirairay : ho pretra, relijiozy, ho mpanokan-tena, fanambadiana, mpitsabo, mpampianatra, mpitsara, mpamboly, mpivarotra. Ny fomba hamaliana ny antson'Andriamanitra dia fanaovana zava-dehibe ny fahaizana miara-belona, izany hoe tsy tokony ho be taraina, tokony hahay hifampihaino... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Mahavita fahagagana ny vavaka, manampy antsika hitia ny hafa ny vavaka. Ny mivavaka ao anatin'ireo fisehoan-javatra isan'andro sy isaky ny mihetsika dia iray amin'ireo zava-miafin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. Ny endriky ny vavaka rehetra no mety ho lalivay ampitahana ny Fanjakan'Andriamanitra ; mivavaha ho an'ny fahavalonareo, tsy ny havana na izay tiana ihany no hanandratana vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco