Ny "miteny" sy ny "mivolana" dia samy matoan-teny, ny "tsy" manoloana azy ireo eto kosa dia mpamari-toetra, ireo no mitambatra no menome hevitra "havonavona, fanambaniana", "tsy fifanajàna. Ny hoe"miteny" dia manokatra ny vava, manambara teny mazava, mamoaka ny ao am-po ; ny "mivolana" dia an-tsoratra kokoa, miditra lalina kokoa. Misy heviny mifamatotra amin'ny tantara ary taratra amin'ny kolontsaina ny hoe "volana". ireto misy voambolana ahatarafana ny hoe "volana" ireto : Rasavolana, Mitambolanela(mitan-tsoratra), volan'onjatsy...
♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...
Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
♦ Efa hita miomankomana amin'ny ho tohin'ny raharaham-pirenena indrindra ny fiatrehana ny fifidianana ny ankamaroan'ireo antoko pôlitika... ♦ Olana mbola mitoetra eny amin'ny fiaraha-monina ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana raikitra. Tandindomin-doza koa ny firenena manoloana ny tsy fahampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Misy ny fampitandremana noho ny alondrano araka ny fampitam-baovao avy amin'ny météo Malagasy... ♦ Namoaka fanambarana i Rosia androany fa hakatona ny consulat allemand any Saint-Pétersbourg...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco