Manoloana ny fiovana, ny Konsily dia miantso ny Fiangonana mba ho mailo sy manam-pahendrena ka handinika lalina ny zava-misy vaovao anefa tsy handao ny Evanjely. Tsy tokony hatahotra ny fiovana ny Fiangonana fa kosa hanavaka izay manaja ny maha-olona sy izay mety hanimba azy. I Kristy ihany no ahitana ny fototra mafy orina afaka mitarika any amin'ny fiovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
♦ Hatsaraina ny fifandraisana amin’ny lafiny ara-barotra sy ny toe-karena eo amin’i Madagasikara sy Guinée Equatoriale, mitsidika any an-toerana, ankehitriny, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël… ♦ Naneho ny alahelony ny zanaky ny Faritra Melaky monina eto Antananarivo, tamin’ny tsy fisian’ny zanaky ny Faritra tao anatin’ny Governemantan’ny Fanavoazana in-droa nisesy izao… ♦ Nahazo foto-drafitrasa afahana misitraka vaovao ara-potoana momba ny toetr’andro, ny toe-tany, ny toetry ny rano, avy amin’ny PNUD ny foibe famantarana ny toetr’andro Malagasy… ♦ Nanao fanambarana ny fitondrana Iraniana fa mikatona ho an’ny fivezivezen’ireo sambo rehetra avy amin’ny firenena manana fifandraisana amin’ny fahavalon’i Iran, ny ao amin’ny Détroit d’Ormuz…
Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...
♦ Dingana maika andrasana amin’ireo ministra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison ny hanaovan’izy ireo ny fanambaram-pananana araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara… ♦ Laharam-pahamehana amin’ny ady doro ala sy doro tanety ny fihomanana mialoha, nizara traik’efa ny mikasika izany ny tompon’andraikitry ny tetik’asa ny fitantanana maharitra lovain-jafy (FMH)… ♦ Nijoro vavolombelona tamin’ny fitaizany sy ny fampianarany ary ny fahalalany, ireo olona akaiky ny Profesora Jaona Siméon, nandritry ny fankalazana ny faha-100 taona ho an’ity olo-malaza ity… ♦ Nanomboka androany ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena, izay hotanterahiana any Bénin amin’ny alahady 12 avrily ho avy izao…
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco