Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 52, 13 — 53, 12)

Noratraina Izy noho ny fahotantsika.

Izao no tenin’ny Tompo:

Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo,
hankalazaina ary ho tafasandratra indrindra.
Toy ny nigagan’ny maro nahita Azy,
— fa rava Endrika loatra Izy,
ka ny Tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony;
ary ny Tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, —
no hampiontanany firenena maro.

Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,
satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,
sy handre ny tsy mbola reny.
Iza no nino izay renay,
ary iza no nanehoana ny sandrin’ny Tompo?
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy,
tahaka ny hazo madinika marefo,
tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina;
tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika;
na bika namelona ny fitiavantsika.
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy,
olona ory sady zatra ny fijaliana;
hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava;
natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny,
ary ny fahoriantsika no nivesarany;
ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy,
nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika,
notorotoroina noho ny helotsika;
nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana;
ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika,
samy nanaraka ny lalany avy isika,
ary nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Vonoina Izy ary mandefitra, tsy miloa-bava akory Izy;
tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,
tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy;
tsy miloa-bava akory.
Noesorina Izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana;
ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy,
no mba nihevitra fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy,
ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?
Natao hiray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy,
ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty,
nefa tsy mba nanao ny tsy marina,
ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

Sitraky ny Tompo ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana
dia hahita taranaka Izy,
ho lava andro hiainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny,
dia hahita Izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko noho ny fahalalany,
hanamarina olona betsaka
ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.
Noho izany,
homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy;
ary hiara-mizara babo amin’ny mahery;
satria nanolotra ny ainy ho faty Izy
sady natao isan’ny mpanao ratsy;
ary ny Tenany no hitondra ny fahotan’ny maro,
sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 30, 2. 6. 12-13. 15-16. 17 sy 25)

Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko.

Ianao, ry Tompo, no ifefeko:
tsy mba ho azon-kenatra aho.
Hanavotra ahy Ianao fa marina,
apetrako an-tananao ny aiko,
ry Tompo Andriamanitra Mpanavotra ahy!

Ny rafiko rehetra mandatsa,
ny miara-monina efa tofoka,
ny olom-pantatra tsiravina,
izay tojo ahy mandositra avokoa;
hadinon’ny fo mova tsy ny maty aho,
tsy asiana antony ohatra ny fako.

Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao!
Ianao, hoy aho, no Andriamanitro,
an-tananao ny androko,
afaho amin’ny haromotany aho.

Endrika mitsiky aseho ahy,
vonjeo aho noho ny fitiavanao!
Mahereza! Ny fo hatanjaho,
ianareo izay matoky ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16 ; 5, 7-9)

Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho an’izay manaiky Azy.

Ry kristianina havana,
noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pitokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilàntsika izany.

Fa tamin’ny andron’ny nofony i Kristy,
nony nanolotra fivavahana fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be,
tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)

Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany.

Tamin’izany andro izany,
dia lasa i Jesoa sy ny mpianany nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna,
izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.
Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io,
satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.
Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray
sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina,
dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana.
I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjo Azy,
ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:

Iza no tadiavinareo?

Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:

I Jesoa avy any Nazareta.

Ka hoy i Jesoa taminy:

Izaho no Izy.

Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy.
Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no Izy,
dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka tamin’ny tany.
Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:

Iza no tadiavinareo?

Dia hoy izy ireo:

I Jesoa avy any Nazareta.

Ka novalian’i Jesoa hoe:

Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy;
koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.

Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe:
“Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray aza”.
Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny,
dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona,
ka afaka tery ny sofiny an-kavanana.
Malkosy no anaran’ilay mpanompo.

Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:

Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao;
tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?

Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo
ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody,
dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy.

Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy
fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany.
Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe:
“Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray”.
Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa,
ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray,
ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.
Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady.
Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona,
ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady,
ary nampiditra an’i Piera.

Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry vavahady tamin’i Piera:

Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?

Ary hoy izy:

Tsia.

Nangatsiaka ny andro tamin’izay,
ka nipetraka namindro teo amin’ny afo
ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha,
ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.
Ary ny lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa
ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany,
ka hoy i Jesoa namaly azy:

Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho,
ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny Tempoly,
izay ivorian’ny Jody rehetra,
fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;
ka ahoana no anontanianao Ahy?
Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy,
fa ireo no mahalala izay nampianariko.

Nony nilaza izany i Jesoa
dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina,
sy nataony hoe:

Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?

I Jesoa namaly azy hoe:

Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy;
fa raha tsara ihany kosa,
nahoana no dia mamely Ahy ianao?

Dia nasain’i Ana nentina am-patorana
ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy.
Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa,
ka nisy nanao taminy hoe:

Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?

Fa nandà izy nanao hoe:

Tsia.

Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona
izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:

Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?

Fa nandà indray i Piera,
ary niaraka tamin’izay dia nisy akoholahy naneno.
Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa
ho any amin’ny tranon’ny Governora.
Efa maraina ny andro tamin’izay.
Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo,
fandrao voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka.
Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano,
nanao hoe:

Inona no iampanganareo io Lehilahy io?

Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:

Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.

Ka hoy i Pilaty taminy:

Ento Izy,
ka tsarao araka ny lalànareo.

Fa hoy ny Jody namaly azy:

Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.

Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa
momba ny fahafatesana hanjo Azy.
Dia niditra tao an-trano i Pilaty,
ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:

Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?

I Jesoa namaly hoe:

Anao samy irery izany teny izany,
sa an’olonkafa nilaza Ahy taminao?

Dia namaly i Pilaty nanao hoe:

Fa izaho angaha Jody?
Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko,
ka inona no nataonao?

I Jesoa namaly hoe:

Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako:
fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako,
dia ho niady ny oloko,
ka tsy ho voarain’ny Jody Aho,
fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.

Dia hoy i Pilaty taminy:

Koa Mpanjaka izany Ianao?

Ary novalian’i Jesoa hoe:

Efa voalazanao, Mpanjaka Aho.
Teraka Aho, sy tonga tety an-tany mba hanambara ny marina,
ka izay rehetra mpanaraka ny marina,
dia mihaino ny feoko.

Dia hoy i Pilaty taminy:

Inona ny marina?

Fa nony voalazany izany,
dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy
ka nanao tamin’ireo hoe:

Raha izaho,
dia tsy mahita izay helony na dia iray aza.
Fa araka ny fanao amin’ny Paka,
dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho,
koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?

Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:

Tsy Izy,
fa i Barabasy.

Kanefa jiolahy i Barabasy.
Tamin’izay nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina.
Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila
ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany kapaoty jaky Izy.
Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo,
ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:

Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:

Indro Izy entiko manketo aminareo,
mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.

Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo
sy nitafy kapaoty jaky,
ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:

Indro ny Lehilahy.

Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha,
dia niantso nanao hoe:

Fantsiho,
fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:

Ento àry Izy, ka fantsihonareo,
fa izaho tsy mahita izay helony.

Dia hoy ny Jody namaly azy:

Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay,
dia tsy maintsy vonoina Izy,
satria manao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.

Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra.
Ary niditra tao an-trano indray izy,
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

Avy aiza moa Ianao?

Fa tsy namaly azy i Jesoa.
Ka hoy i Pilaty taminy:

Izaho indray ve no tsy itenenanao?
Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho,
no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?

Dia namaly i Jesoa hoe:

Tsy hanam-pahefana amiko ianao,
raha tsy nomena anao avy any ambony izany,
koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.

Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty.
Fa nantsointsoin’ny Jody hoe:

Raha mandefa an’io ianao,
dia tsy mba sakaizan’i Sezara,
satria izay manao ny tenany ho mpanjaka
dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.

Nony nandre izany teny izany i Pilaty,
dia nitondra an’i Jesoa nivoaka,
ka nipetraka teo amin’ny fitsarana,
eo amin’ny fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato),
na Gabatha amin’ny teny hebrio.
Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay,
ary tokony ho tamin’ny ora fahenina
dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:

Indro ny Mpanjakanareo.

Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:

Esory, esory,
fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ka hoy i Pilaty taminy:

Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?

Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:

Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.

Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa,
ka noraisin’izy ireo Izy dia nentiny.
Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana,
dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy (Ankarandoha),
na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.
Teo no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana,
niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa
izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i Jesoa teo ampovoany.
Ary nanao soratra i Pilaty, napetany teo andohan’ny Hazofijaliana,
ka izao no vàkiny:
JESOA AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.

Betsaka ny Jody namaky io soratra io,
fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa,
sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra.
Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:

Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody,
fa hoe: Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.

Fa hoy i Pilaty hoe:

Izay voasoratro, dia voasoratro.

Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy,
nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra,
dia samy nanana ny anjarany avy izy;
toy izany koa ny akanjony rebareba.
Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony,
fa tenona iray ihany, hatrany ambony ka hatrany ambany,
ka nifampilaza izy ireo hoe:

Aoka tsy horovitintsika ity,
fa aoka hilokantsika,
dia ho lasan’izay hahazo ny loka.

Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe:
Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko.
Dia izany no nataon’ny miaramila.
Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa
ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina.
Nony hitan’i Jesoa ny Reniny
sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny,
dia hoy Izy tamin-dreniny;

Ravehivavy, indro ny zanakao.

Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:

Indro ny Reninao.

Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa,
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina:

Mangetaheta Aho.

Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalainy ny spônjy, novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin’ny hazo hisôpy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy, dia nanao hoe:

Tanteraka ny zavatra rehetra.

Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.

(mandohalika mivavaka mangina kelikely)

Ary andro fiomanana tamin’izay,
ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody,
mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany,
sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady Izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filàzany,
sady fantany fa milaza ny marina izy,
mba hinoanareo koa.
Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:
“Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”.
Ary hoy indray koa ny Soratra Masina:
“Hijery izay nolefonina izy”.
Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any Arimatia,
izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka ny fatin’i Jesoa,
ka neken’i Pilaty izany.
Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.
Ary tonga koa i Nikôdema,
ilay nanatona an’i Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany,
nitondra mira sy alôesy nampifangaroina,
tokony ho zato livatra.
Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra,
sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.
Nisy saha anankiray kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa,
ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha.
Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay,
dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 12, 1-8. 11-14)

Hohenointsika izao ny Lalàna momba ny Sakafo fankalazana ny Paka.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’ny Tompo
tamin’i Môizy sy i Aarôna tany amin’ny tany Ejipta:

“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo;
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe:

Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy, isam-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy,
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray
no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra,
amin’ilay àty takariva iny.

Hangalana ny rany,
hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy,
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina, ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.
Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io andro io,
ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo;
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 115, 12-13. 154)

Ny kalisy isaorantsika an’Andriamanitra, dia ilay isotroantsika ny Ran’i Kristy.

Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.

Tsy sitraky ny Tompo velively
ny ahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo:
eny, mpanomponao tokoa,
zanaky ny ankizy vavinao aho,
ka nalànao fatorana.

Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 11, 23-26)

Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo

Ry kristianina havana,
izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa:
tamin’ny alina namadihana azy iny i Jesoa,
dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy,
dia namaky azy sy nanao hoe:

“Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”.

Toy izany koa, nony efa nihinana,
dia hoy izy:

“Kalisy fanekena vaovao amin’ny Rako ity;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy,
isaky ny misotro ianareo”.

Fa isaky ny mihinana ity mofo ity
sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo,
dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

DeraVoninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

Dia fara fitiavana no nataony taminy.

Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana
hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray,
ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao,
dia fara fitiavana no nataony taminy.
Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva,
i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa
efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy,
i Jesoa kosa nahalala
fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra,
ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany,
dia nitsangana teo am-pihinanana izy:
napetrany ny lambany,
nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany;
raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy,
dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra,
sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany.
Ary nanatona an’i Simôna Piera izy;
fa hoy i Piera taminy:

“Adre! Ianao ve, Tompoko,
no hanasa ny tongotro?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Tsy fantatrao izao izay ataoko,
fa ho fantatrao aoriana”.

Fa hoy i Piera taminy:

“Sanatria,
tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao”.

Ka hoy i Jesoa namaly azy:

“Raha tsy sasako ianao,
dia tsy hanana anjara amiko”.

Dia hoy i Simôna Piera taminy:

“Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko,
fa ny tenako sy ny lohako koa”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay efa nandro,
tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra,
fa efa madio avokoa ny tenany manontolo.
Ary ianareo koa dia madio,
nefa tsy ianareo rehetra”.

Izy no nanao hoe:
Tsy ianareo rehetra no madio,
dia satria fantany ilay hamadika Azy.

Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo,
dia nandray ny lamba Izy,
ka nipetraka indray,
ary nanao taminy hoe:

“Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo,
ary marina ny filàzanareo;
fa izany tokoa Aho.
Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza
nanasa ny tongotrareo,
ianareo samy ianareo koa
dia tsy maintsy hifanasa tongotra;
satria nomeko fianarana ianareo
mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 4-9a)

Tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora ny tavako.

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho,
mba hahaizako mankahery ny reraka amin’ny teniko.
Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako,
hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Nosokafan’ny Tompo ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato,
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy; iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankatý amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
ka iza no hanameloka ahy?

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 68, 8-10. 21bde-22. 31 sy 33-34)

Noho ny haben’ny hatsaram-ponao, ry Tompo, mba valio aho amin’ny androm-pahasoavana.

Noho Ianao no ilonjoako latsa,
no mahasafo-kenatra ny tavako:
ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho,
sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny!
Eny, ny fahasaro-piaroko ny Tranonao
no maharìtra ny aiko.

Ny foko torotoron’ny latsa,
tsy lai-panafody;
mba miandry fitserana; fa tsy misy!
sy mpanony, fa tsy mahita!
Ny hanina laroany zava-mahafaty;
mangetaheta: bobohany vinaingitra.

Hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra aho,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra!
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa loza ho an’izay olona hamadika Azy.

Tamin’izany andro izany,
nandeha ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe i Jodasy lskariôta
nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona
ka nanao taminy hoe:

“Homenareo hoatrinona aho,
dia hatolotro anareo Izy?”

Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Hatramin’izay, dia nikendry izay hamadihana Azy izy.
Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima,
dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe:

“Aiza no tianao hamboaranay hihinanao ny Paka?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona
ka lazao aminy hoe:
Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko,
ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.”

Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra
ka namboatra ny Paka.

Nony hariva ny andro,
dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy.
Teo am-pihinanana dia hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo
fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.”

Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe:

“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Dia namaly Izy ka nanao hoe:

“Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia,
izy no hamadika Ahy.
Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy;
kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’Olona!
Tsara ho azy ny tsy teraka.”

Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe:

“Raby, moa izaho va izany?”

Ka novaliany hoe:

“Voalazanao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 1-6)

Hatsangako ho fahazavan’ny firenena Ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.

Mihainoa ahy, ry nosy;
mitandrema ianareo, ry firenana lavitra!
Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka,
efa nilaza ampahibemaso ny anarako,
hatrany an-kibon’i neny.
Nataony sabatra maranitra ny lelako;
nalofany amin’ny aloky ny tanany aho,
nataony zana-tsipìka maranitra aho;
nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
Ary hoy Izy tamiko:

“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako.”

Dia hoy kosa aho:

“Foana ny nisasarako;
zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko;
fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako;
ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.”

Ary ankehitriny miteny ny Tompo
izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.

Hoy Izy:

“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israey;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15 sy 17)

Mitanisa tontolo andro ny vonjinao ny vavako.

Ianao no ifefeko, ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay mandrakizay.
Afaho noho ny fahamarinanao;
itongilano sofina ka vonjeo.

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano-mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato,
sy toera-mafy, ho ahy, ry Andriamanitro ô!

Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko.
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no Mpiaro ahy.

Ny fiderana Anao tovonako hatrany,
ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)

Hamadika Ahy ny anankiray aminareo... Alohan’ny maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao.

Tamin’izany andro izany,
niara-nisakafo tamin’ny mpianany i Jesoa;
ary nangorohoro ny fony,
ka nanambara mazava Izy nanao hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo.”

Dia nifampijery ny mpianatra,
fa tsy nahalala izay iray nolazainy.
Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa,
no teo anilany niankina tamin’ny tratrany,
ka nanatsika azy i Piera nanao taminy hoe:

“Iza ilay lazainy izay?”

Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany,
ka hoy izy taminy:

“Iza moa izany, Tompoko?”

Ary hoy i Jesoa hoe:

“Izay hotolorako sombi-mofo
natsoboka tamin’ny ro no izy.”

Dia natsobony ny mofo
ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna.
Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy Iskariôta
dia nidiran’ny demony,
ka hoy i Jesoa taminy:

“Ataovy haingana izay ataonao.”

Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa
ry zareo izay nipetraka nihinana;
fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola,
dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy:

“Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety,
na mba omeo zavatra ny mahantra.”

Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy
dia nivoaka niaraka tamin’izay.
Efa alina ny andro tamin’izany.
Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa:

“Nomem-boninahitra izao ny Zanak’Olona,
ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.
Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy,
dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy
eo amin’ny tenany sy hanome voninahitra Azy faingana.
Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo.
Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe:
‘Izay alehako tsy azonareo aleha’
no lazaiko aminareo koa ankehitriny.”

Hoy i Simôna Piera taminy:

“Ho aiza Ianao, Tompoko?”

Dia hoy i Jesoa:

“Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako,
fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.”

Ary hoy i Piera taminy:

“Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny?
Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.”

Fa hoy i Jesoa:

“Hafoinao ho Ahy ny ainao?
Lazaiko marina dia marina aminao:
Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...