♦ Nahazo PDS vaovao ny tanàna an'i Toliara rehefa tsy nisy Ben'ny Tanàna nitantana intsony, tato anatin'ny volana vitsivitsy... ♦ Mbola hitohy amin'izao fiandohan'ny herinandro izao ilay dinika fakàn-kevitra hanomànana ny fifidianana eny Iavoloha. Hitondra ny heviny indray ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo filoham-pirenena teo aloha... ♦ Tena nisy ilay marary maty tampoka teo am-pandidiana azy tao amin'ny Hôpitaliben'i Manakara noho ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Trano lehibe iray nisy rihana maromaro indray no nirodana tany New Delhi, renivohitr'i Inde, omaly. Olona maro no voatsindrin'ny korontana...

♦ Hanomboka anio ny taom-pianarana vaovao eto Madagasikara. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2027... ♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, mpikamban'ny sendikà Fisemare, noho ilay raharaha fampiantsoana teny amin'ny Bianco. Nanao fanambaràna izy ireo ny sabotsy teo... ♦ Mbola nampiato ny famokarana ny QMM, taorian'ilay zava-nitranga ny 30 aogositra teo. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fifampidinihina amin'ireo voakasika amin'ity raharaha ity ny orinasa... ♦ Nanomboka omaly indray ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Ukraine...

.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".

Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...