Tsy afaka miaina tsy misy fitiavana ny olombelona ary raha tsy misy ny fitiavana dia misy ho azy ny olana. Ny fitiavana no endrik'Andriamanitra mampitovy ny olombelona amin'ilay Nahary. Ny fo sy ny saina miaraka no tonga ho fanahy, izay maha-olona. Ny onjan'ny firaisan-tsaina dia misy ao amin'ny olona, efa hatramin'ny fotoana niforonany tao am-bohoka ; eo amin'ny 1,5 metatra eo ny elanelana afahana miaina sy mampita ny onjan'ny firaisan-tsaina, izay mampisy ny fifampatokisana sy ny fifanajana ary ny fifankatiavana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Anatin'ny dian'ny Kôlônely Randrianirina Michaël any Paris ny firesahana ny tetik'asa Volobe sy ny fiatrehana ny fifidianana, mandritry ny fihaonany amin'ny filoha Frantsay sy ireo tompon'andraikitra avy amin'ny vondrona Eoropeanina... ♦ Foana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A1, A2 sy ny Sokajy C sy D ho an'ireo hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, mihatra arak'izany ny sokajy L sy S ary ny O.S.E hoy ny Ministera... ♦ Tafakatra 4 irao olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny tonelina Ambohidahy ny talata tolak'andro teo, niampy vehivavy roa ireo tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy...

• Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena, mikasika ny habakabaka atao any Paris nanomboka androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Hihatra amin'ity taom-pianarana 2026-2027 ity ny sokajy L sy S ary OSE. Foana araka izany ny sokajy A1, A2, C ary D, araka ny fampahafantarana ofisialy nomen'ny minisitera tompon'andraikitra... • Harindra sy hatsaraina ny fampiharana ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy 2024-2030. Tanjona ny tsy hisian'ny kolikoly, na olona marefo voailika intsony, amin'ny fisitrahana ireo fandaharan'asa fiahiana ara-tsosialy...

♦ Nafindran'ny A.R.A.I tao amin'ny kaonty fitanana an'ny Fanjakàna ny volan'ny orinasa INJET noho ny fanatanterahana ny didim-pitsaràna navoakan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny 19 aogositra 2026 teo... ♦ Fepetra vonjimaika noraisina hampiakarana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny fandatsahana orana artifisialy sy fanafarana fitaovana avy any ivelany hanamboarana ny fahasimbana ao amin'ny TAC1 ao Ambohimanambola... ♦ Mivadika ho herisetra sy fandratrana olona ny raharaha ady tany teo amin'ny mpitandrina iray sy ireo Fokonolona ao amin'ny Kaominina Ambatomanjaka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...