♦ Fananganan-tsaina sy firedonana ny Hiram-pirenena, teny anoloan'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra androany, no nanombohana ôfisialy ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny Fahaleovan-tena... ♦ Miverina mandeha ankehitriny ny fitaterana an-dalamby TCE, mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina... ♦ Fiara 14 no hanatanteraka ny hetsika "Sarobidy ny aiko" amin'ny alalan'ny "Caravane de la santé" ; niainga teny amin'ny Kianja Barea, androany...

♦ Mirary soa sy mankahery ny ankizy manerana ny Nosy noho ny fankalazana ny volan'ny ankizy ny Aomônie Nasionalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy, P. Rodolphe Rafenoarisoa... ♦ Nanentana ny mpino hahay hifampihaino sy hifanompo i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny famaranana ny volan'i Masina Maria, ny 31 mey 2023... ♦ Nomarihana tao Antanimalandy Mahajanga, tamin'ny alahadin'ny Pantekôty ny faha-320 taonan'ny Fikambanana "Spiritains"...

Voalohan'ny volana jona, andro eran-tany ho an'ny ronono. Andro anentanana ny olona rehetra mba hisotro sy hihinana na hanjifa ny vokatra avy amin'ny ronono. Nanomboka tamin'ny taona 2001 no nivohy azy io ny Sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny Fambolena na ny FAO fa ny taona 2017 isika teto Madagasikara vao nanomboka nankalaza azy voalohany noho fitarihana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB sy ny ministera nisahana ny fiompiana tamin'izany fotoana izany ary dia notohizana taty aoriana...

♦ Hampahafantarina amin'ny talata ho avy izao, ilay sata mifehy ny fitsipi-pitondran-tena amin'izao vanim-potoana fifidianana izao... ♦ Antony iray tsy maintsy hitohizan'ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby, ny fitombon'ny filan'ny mpanjifa amin'izao vanim-potoana ririnina izao, hoy ny Jirama... ♦ Mirongatra ankehitriny ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka anaovan'ny fikambanana SK, antso avo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...