♦ Mananika ny 45% ny taham-pandraisana anjaran'ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo. Efa miparitaka koa ny fanasana avy amin'ny CENI amin'ny famoahana ny voka-pifidianana vonjy maika ny sabotsy izao... ♦ Somary ratsy ny kalitaon'ny vokatra litchis tamin'ity taona ity raha ny nambaran'ny filohan'ny fikambanan'ny zanak'i Toamasina na ny FIZATO. Efa nisokatra tamin'ity herinandro ity moa ny taom-piotazana... ♦ Laharam-pahamehana ho an'ny ministeran'ny asa ny fampanana asa ny tanora. Miatrika fivoriana fanamafisana traikefa momba izany ety Ivato ny solotenan'ny ministera isam-paritra, izay miara-miasa amin'ny RDB...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 6, 1-13)

Noho ny ratsy nataoko tany Jerosalema, dia ho faty amin’alahelo lehibe aho.

Tamin’izany andro izany,
i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo.
Nony reny fa any Persa, any amin’i Elimaida,
misy tanàna anankiray malaza amin-karena,
be volafotsy sy volamena,
manan-tempoly be zava-tsarobidy,
misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra,
fiadiana navelan’i Aleksandra, zanak’i Filipo,
mpanjakan’i Masedoàna,
ilay nanjaka voalohany tamin’ny Greka,
dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna,
kanjo tsy nahomby izy,
fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.
Nitsangan-kiady aminy ireo,
dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe,
hiverina ho any Babilôna.

Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa
nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà, fa hoe:
Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasa,
dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody,
ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana
mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;
noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema,
nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly;
toy izany koa no nataony tany Betsora,
anankiray amin’ny tanànany.

Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka,
dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany,
ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraikinararin’alahelo,
fa tsy tanteraka ny faniriany.
Andro maro izy teo ihany,
ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina.
Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany,
dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:

“Ny torimaso nandao ny masoko,
ary ny alahelo mandreraka ny foko, ka hoy aho anakampo:
Alahelo lehibe manao ahoana itý mahazo ahy,
ary hantsan-dalina manao ahoana itý nilatsahako izao?
Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!
Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema
fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao,
ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony,
ny mponina rehetra tany Jodà.
Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko,
ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe,
atý an-tanin’olon-kafa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19

Hifaly amin’ny famonjenao aho, Tompo!

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Rafitra mianòtra ny fahavaloko,
mivena sy ringana anoloanao.
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!

Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina!
Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava;
ny fanantenan’ny ory tsy ho diso mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty,
ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny,
mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy,
ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy,
fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy
sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:

‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’

Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanatanteraka fihaonana samy hafa omaly ny birao maharitry ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara izay mamita iraka any Vatican... ♦ Samy nanao fihantsiana sy fanaratsiana tamin'ny tambazotran-tserasera ireo mpanohana ny ankamaroan'ireo kandidà hoy ny Justice et Paix androany, raha nanao ny tatitra savaranonando tamin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Samy voatazona eny amin'ny zandary sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana i Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy i Barson Rakotomanga, taorian'ny fihainoana azy ireo nanomboka omaly tolakandro...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...