Tompon'antoka ara-piaraha-monina ny fianakaviana. Hita taratra izany amin'ny fanehoany ny firaisan-kina sy ny fahaizany mizara, tsy ao anatin'ny fianakaviana fotsiny, fa eo amin'ny sehatra isan-karazany. Mba hahatratrarana ny soatoavin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mitaona ny rehetra ny Eglizy manao hoe : aoka ny fitiavana sy ny hevitra iombonana ary ny fahamasinana no hanakambana ny mpivady. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

23 nôvambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

♦ Fihaonana roa samy hafa androany, no nataon'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay mamita iraka any Vatican... ♦ Samy nanao fihantsiana sy fanaratsiana tamin'ny tambazotran-tserasera, ireo mpanohana ny ankamaroan'ireo kandidà, hoy ny Justice et Paix androany, raha nanao tatitra savaranonando tamin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Tsy tompon'andraikitra tamin'ny fihetsika sy ny fampiasana fiaram-panjakana nataon'ilay tale teo aloha, maty teny Andohanimandroseza omaly, ny INSTAT, araka ny fampahafantarana nataony...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 4, 36-37. 52-59)

Nitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterana ny sorona dorana.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny:

“Efa resy itý ny fahavalontsika,
ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.”

Dia nivory ny tafika manontolo,
ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.
Dia nifoha maraina koa izy,
tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana fahasivy,
izay volana atao hoe Kasleo,
tamin’ny taona fahavalo amby efapolo amby zato,
ka nanatitra sorona,
araka ny lalàna teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.

Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra
no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny salamo,
sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.
Indray nihohoka ny vahoaka dia nitsaoka sy niandrandra ny lanitra,
nisaotra an’Ilay nanambina azy.
Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely,
ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana
sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.
Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly,
namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efi-trano
sady nasiany varavarana.
Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka
ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.
Ary i Jodasa nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny
mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely,
amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona
miantomboka amin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Kasleo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12

Midera ny Anaranao be voninahitra izahay, ry Tompo.

Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,
sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.

Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny fanjakana,
sy ny fisandratana ho lohan’ny zava-drehetra!

Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no mifehy ny zava-drehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,
ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra,
fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”

Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...