♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

♦ Ministtra mpisolo toerana avokoa no mitantana ministera 7 eo anivon'ny governemanta amin'izao. Hiteraka olana amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakàna izany hoy ny antoko Vonona Hijoro ho an'ny Tanindrazana... ♦ Tsy ankasitrahan'ny vovonan'ny Sekoly tsy miankina ny hanokànana toerana ireo mpiadina mahaleontena mandritra ny fanadinana Bakalôrea. Famotehana ny fampianarana sy ny sekoly tsy miankina izany hoy izy ireo... ♦ Olona 3 indray no nisy naka an-keriny tao Fieferana Anjozorobe ka mitaky vola 140 tapitrisa Ariary ireo jiolahy. Handraisana fepetra manokana izao zava-misy izao hoy ny Praiministra ny faran'ny herinandro teo...

♦ Nohamasinina ho Eveka ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco maneran-tany ny Kardinaly Angel Fernandez Artime... ♦ Efa nivoaka ny didim-panjakàna fampiharana ny fampiakaran-karàma ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina. Manomboka mihatra ho an'ny karama volana marsa lasa teo izany... ♦ Misy ny fandaminana vaovao avy amin'ny tanànan'Antananarivo momba ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely. Navadika tsena ny ampahan-dalana eny an-toerana, isaky ny zoma, sabotsy ary alahady... ♦ Nankasitrahan'ny mpitondra faratampony any Iran ny nanafihan'ny tafika iraniana an'i Israël ny herinandro teo ; fahombiazana iny fanafihana iny ary nambarany fa reharehan'ny vahoaka hoy izy...

Alahady fahaefatra fankalazana ny Paka : I Jesoa,  Mpiandry ondry tsara ; Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa. Izy tenany Jesoa mihitsy no milaza fa izy no Mpiandry ondry tsara, dia izy izay mahafoy ny ainy. Tsy mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa ny mpikarama raha vao mahita amboa dia avy dia havelany hiahaka eo ny ondry, ny karama na vola no tanjony fa tsy ny ondry nankinina taminy. Ny takian'ny fiaraha-monina dia olona mpanasoa, mpitsimbona ny madinika, mpikatsaka ny soa iombonana fa tsy tia tena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...