Zava-dehibe ny fianakaviana ho an'ny fiaraha-monina : ankohonana voajanahary. Ny fianakaviana dia ankohonana mampiombona olona àry ny fiaraha-monin'olombelona voalohany. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny kristiana hoy ny konsily : tsy maintsy araraotin'ny kristiana ny fotoana ankehitriny, noho izany tokony hiasa mafy izy hanandratra ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
22 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
♦ Hotanterahana amin'ny sabotsy izao, ny famoahan'ny CENI ny voka-pifidianana vonjy maika, izay natao tamin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Nanakoako ny feom-basy teny Andohanimandroseza sy ny manodidina. Olona 5 no lavon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Miisa telo ireo mpampianatra tapaka karama ka nanapa-jevitra ny hampiato ny fampianarana indray ny vondron'ireo mpampianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
♦ Manohy ny famoahana ny voka-pifidianana isam-paritany hatrany ny CENI araka ny hita amin'ny pejiny amin'ny Facebook. Tsy nisy intsony hatramin'izao ny famoahana ny voka-pifidianana faobe mampiseho ny antontan'isa manerana ny nosy... ♦ HItory any amin'ny OIT ny Randrana Sendikaly noho ny fanapahana ny karaman'ireo mpitarika sendikà eny amin'ny Anjerimanontolo. Manitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena ny Fitondrana vonjimaika amin'izao hoy izy ireo... ♦ Misy aretin-koditra hafahafa mahazo ny voafonja any amin'ny Fonjaben'i Fianarantsoa amin'izao. Sahirana amin'ny fitsaboana sy tsy hiparitahan'io aretina io ny fiadidiana ny Fonja any an-toerana ka niantso vonjy tamin'ireo malala tanana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco