Samy miombona eo amin'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina ihany ny olona nefa indraindray ary ao vao tena misy fizarana. Toa re manako foana ilay vavak'i Jesoa hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Mila antsoina mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho fiombonana tena izy no hitranga. Ny Konsily dia antso afahan'ny rehetra hifanakalo hevitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nandao an'i Madagasikara ny hariva teo Mgr Tomasz Grysa, Nonce Apostolique, notendren'ny Papa François niasa teto Madagasikara nandritry ny 3 taona sy 8 volana... ♦ Olan'ireo mpandraharaha sy ireo tanora manana tetik'asa fandraharahana matetika ny resaka famatsiam-bola hanombohana na hanitrarana sehatr'asa. Ny hanampiana azy ireny amin'izany no antom-pisian'ilay tsenaben'ny vola sy ny fampiasam-bola andiany faharoa tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Mitaky ny hisian'ny dinika sy fifampiresahana eo amin'ny samy Malagasy hametrahana ny fifanarahana politika, mba hisian'ny vahaolana maharitra ho an'ny firenena ny G5...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Natomboka ofisialy tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Anosy ny alakamisy 02 Jolay 2026 ny andiany fahatelo amin’ny fanangoanna ireo tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny fambolena na ny RGA3. Miantoka ny 30%n’ny hari-karena faobe ny tontolony ambanivohitra sy ny fambolena eto Madagasikara. Maherin’ny 75%n’ny Malagasy no misahatra sy manao asa fivelomana ny fambolena. Ny taona 2004 no nisy fanisana farany mahakasika ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena teto amitsika raha toaka isaky ny folo taona no tokony hanaovana izany...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco