Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Messe Chrismale sy fanavaozana ny tokim-panompoan'ny Pretra : teny amin'ny Ekar Antanimena, omaly, omaly no nanamasinana ireo Diloilo fampiasan'ny Eglizy katôlika amin'ny fanomezana Sakramenta... ♦ Madagasikara - Rosia : Noraisina teny amin'ny Toby Jeneraly Mounibou Ismaël, Bataillon Parachutiste, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika... ♦ Fampiakarana Karama farany ambany : mitaky ny hamoahan'ny Fanjakàna ny didy fampiharana izany ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona 2026 ity...

Ny ahiahy dia miteraka alahelo sy tebiteby eo amin'ny olona tsirairay, fikorontanana ara-tsaina sy ara-tsôsialy, fahasahiranana amin'ny fanapahan-kevitra marina eo amin'ny fiainana andavanandro, sy amin'ny fananganana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fiadanana. Ireo ahiahy ireo dia vokatry ny faniriana sy hetahetam-paniriana tsy voahevitra tsara raha tsy ampiarahina amin'ny soatoavina kristiana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

• Tontosa teny amin'ny EKAR Antanimena androany maraina, ny Sorona Masina fanamasinana ireo diloilo fampiasan'ny Eglizy amin'ny fanomezana Sakramenta, sy ny fanavaozana ny tokim-panompoan'ny pretra... • Noraisina ofisialy androany, teny amin'ny toby Jeneraly Monibou Ismaël, Bataillon Parachustiste Iravto, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika ho an'i Madagasikara, avy amin'ny fitondrana Rosiana... • Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny didy fampiharana ny fampiakarana ny karama farany ambany, ho an'ity taona 2026 ity, ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...