Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...
Ny endometriose dia aretina eo amin'ny vehivavy izay miavaka amin'ny fisian'ny sela mitovy amin'ny rindrin'ny tranonjaza (endometrium) ivelan'ny tranonjaza. Ireo sombin-javatra ireo dia mamaly ny hormonina mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana, ka miteraka fery, kista ary fanaintainana. Antony : Nolovaina avy amin'ny ray aman-dreny, fiforonana sy fahariana tsy nety tao anatin'ilay vehivavy hatramin'ny fahaterahany, tsy fahampian'ny hery fiarovana, fikorontanan'ny tsirim-panentana, olan'ny firafitry ny tranon-jaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tsy tokony hisy Malagasy hiaina ao anatin'ny tahotra sy tebiteby tahaka izao hoy Rakoto Andriniriana Fetison... ♦ Manao antso avo amin'ny tokony hisamborana ireo milaza ho mpanolontsaina ara-teknika eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ka mikasa hanatanteraka "perquisitions" ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël... ♦ Manomboka mivoaka ny valim-panadinana BEPC, 2 andro taorian'ny fahavitan'izany fanadinam-panjakàna izany... ♦ Raikitra ny fitokonana faobe mandritra ny 24 ora notarihan'ireo sendika any Sénégal...
♦ Nifantoka tamin'ny fahaleovantenan'ny Fitsarana ny fikaonan-dohan'ny mpiasan'ny Fitsarana, notanterahina tety Ivato tamin'ity herinandro ity... ♦ Maherin'ny 1 tapitrisa ireo olona nisitraka ny fiarovana ny aro-loza ary 300.000 ireo voaaro tamin'ny tondra-drano tao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tao anatin'ny 7 taona nisian'ny tetik'asa Produir... ♦ Krizy lalin'ny tsy fandriampahalemana no mitarika ny trangana hala-jaza ankehitriny hoy Lanto Ratsida, mpandinika fiaraha-monina... ♦ Mitombo hatrany ny olana amin'ny fahatapahn-jiro any Cuba ary mahazo vahana manaraka izany koa ny hatezeram-bahoaka amin'ny mpitondra...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco