Manoloana ny halehibe sy ny fihazakazahan'ny fiovana ankehitriny dia entanin'ny Konsily ny olona tsirairay tsy hianina amin'ny hahasoa ny tenany samirery. Tsy maintsy mifanao soa ny tany ama-monina. Tsy misy mahavita tena ka ilaina ny fifanampiana sy fifanohanana amin'ny samy mpiara-monina hikatsahana ny soa iombonana. Ny fikatsahana ny soa ho an'ny tena samirery dia fitiavan-tena. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
12 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
♦ Tsy hanao fampielezan-kevitra ny vondron'ireo kandidà 11, raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Nohamafisin'izy ireo izany, tao aorian'ny fihaonana tamin'ireo mpikamban'ny HCC teny Ambohidahy, androany... ♦ Mangataka fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana, ireo Loholona IRD 14, handinihana ny fepetra horaisina amin'ny Filohan'ny Antenieran-doholona, manoloana ny fanambarana nataony... ♦ Velon-taraina amin'ny tsindry hazolena ataon'ny miaramila dokotera iray, ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny Cité an'ny Oniversite...
♦ Hifarana anio ny fampiofanana ireo olona 80 isa, izay hanofana ireo mpikamban'ny biraom-pifidianana manerana ny nosy... ♦ Minisitra miisa roa (2) amin'ny governemanta ifarimbonana no efa nanambara ôfisialy ny fametraham-pialàny ankehitriny noho ny filazan'izy ireo fa hifantoka tanteraka amin'ny fampielezan-kevitra amin'izao fotoam-pifidianana izao... ♦ Tsy maintsy manaraka ny fepetra takian'ny lalana ireo haino aman-jery "en ligne" hoy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Mbola mitohy hatramin'ny omaly ny ady ao amin'ny faritra GAZA. Tsy mitsaha-mitombo vokatr'izany ny isan'ireo olona maty vokatr'izao ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hamas...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco