Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Fiaraha-miasa maromaro no nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, fa vita sonia tany Abu Dhabi, nandritra ny diany tany... • Manome fe-potoana hatramin'ny zoma izao ny Minisitera mpiahy, ireo mpianatra ho mpitsabo, hitondra vahaolana ho azy ireo amin'ny fipariahan'ny MPOX. Hiroso amin'ny fitokonana izy ireo aorian'izay, raha tsy misy io vahaolana io... • Nankasitraka ny nanesorana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA teo aloha, ny sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy ny rano malagasy. Milaza fa nahatsiaro ho afaka izy ireo, noho ny fampitahorana nandritra ny fitondran'ingahy Rhon Weiss...

♦ Aroson'ny Sehatraa Ifanakalozana ANatsarana ny fanaovana Politika hosoniavin'ny mpanao pôlitika ny fifanarahana natao nandritra ny dinika teny Ankorondrano ny volana desambra lasa teo. Hanomboka ny 21 janoary ny fanaovana sonia izany... ♦ Hotanterahana ny volana jolay ho avy izao ny fanadinana CEPE sy ny BEPC amin'ity taona ity. Efa nanomboka ny alatsinainy 12 janoary teo, ny fosoratana anarana ho an'ireo fanadinana ireo... ♦ Niabo ny tombana momba ny ezaka fanavaozana ny famokarana ho an'ny Faritr'i Vakinankaratra nataon'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanaovana ezaka avokoa ny Fambolena sy ny Fiompiana hoy ny Ministera...

Atao sary an'ohatra amin'ny trano ny fanavaozana ; ka moa ve afaka hisedra ireo olana maro samihafa ity fanavaozana kasaina? Zava-dehibe sy manandanja ny fahavanonana afahana miroso amin'ny fanavaozana marina, mifanaraka amin'ny hevitry ny maro, indrindra ny avy any ifotony. Ny fahavanona mitondra amin'ny fanavaozana dia ny fametrahana soso-kevitra amin'ny endriny samihafa sy ny famitàna ny adidy aman'andraikitra manandrify... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...