Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5)

Hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy atý Ejipta.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe:

“Mihanta aminao aho, tompokolahy,
mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan’ny tompoko,
ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao,
fa sahala amin’i Faraôna ianao.
Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe:
‘Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?’
Ary izao no navalinay ny tompoko:
‘Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany;
nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty,
dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.’
Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe:
‘Ento midina atý amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.’

Koa rahefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay,
dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko.
Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe:
‘Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika’,
dia izao no navalinay:
‘Tsy mahazo midina izahay;
fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay;
satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay,
raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.’
Ka hoy ikaky mpanomponao taminay:
‘Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko;
ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe:
tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.
Ary itý iray raha alainareo koa, ka mahita loza any,
dia hampidirinareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo ny voloko fotsy.’"

Dia tsy nahatsindry fo intsony i Jôsefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe:

“Avoahy avokoa ny olona rehetra!”

Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy,
raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
Nanandra-peo izy nitomany,
ka ren’ny Ejipsianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.

Hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny:

“Izaho no i Jôsefa.
Mbola velona ihany va ikaky?”

Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny,
fa very saina loatra teo anatrehany.
Ary i Jôsefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe:

“Manatòna eto amiko ianareo.”

Dia nanatona izy, ka hoy izy:

“Izaho no i Jôsefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo,
noho ny nivarotanareo ahy ho atý,
fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21

Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Niantso mosary hamely ny tany Izy;
notapahiny ny hanina izay tohan’aina.
Naniraka olona hialoha azy ireo Izy:
i Jôsefa namidy ho andevo.

Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,
nogadrana vy izy,
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,
izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.

Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka;
nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.
Dia natsangany ho tompon’ny tranony,
sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)

Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:

“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a)

Voakapoka isika, satria diso tamin’ny rahalahintsika.

Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra,
ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina.
Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra:

“Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.”

Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary,
novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany,
ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy;
ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa,
fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.

Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely,
ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany,
ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra.
Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy;
nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy.
Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.

Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:

“Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo,
hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo,
ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Koa ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy;
dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”

Dia nataony izany.
Ary nifampilaza izy nanao hoe:

“Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika;
fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika,
tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika
ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.”

Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe:

“Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe:
Aza manota amin’ny zaza?
Nefa tsy nohenoinareo akory izany;
koa indro arahina amintsika izao ny rany.”

Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa,
satria mpandika teny no niresahany taminy.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19

Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno.

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)

Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa
rahefa nohafatrafarany hoe:

“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Isan'ireo Kardinaly vaovao miisa 21 notendren'i Papa François, nampahafantarina omaly, ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, mompera Angel Fernandez ARTIME... ♦ Manatanteraka famangina ôfisialy any amin'ny Diôsezin'i Morondava, izay misy ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny Nonce Apôstôlika Thomas GRYSA, izay tonga tany an-toerana, omaly tolakandro... ♦ Sidina maromaro avy any ivelany, no mivantana avy hatrany ao Nosy-Be Hell Ville amin'izao fotoana tena mahabe ny mpizaha-tany any an-toerana izao. Kendrena ho avo roa heny tamin'ny mpitsidika tonga tany Nosy-Be tamin'ny 2019, ny ho tonga amin'ity taona ity...

Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...