21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.

Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.

20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.

19 ôktôbra — Teraka ny 03 janoary 1694 tao Ovada tany Italie i Paul Danei. I Luchino Danei sy i Anna Maria Massari no ray aman-dreniny. Mpivarotra no asan'ny rainy ary enina ambin'ny folo mianadahy izy ireo no naterak'izy mivady. I Paul no zokiny indrindra, ary enina mianadahy izy ireo no velona fa ny sisa dia maty mbola kely avokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...