Toe-javatra tena mampalahelo ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina, azo ambara ho tsy filaminan-tsaina ihany koa izy ity. Misy mahita fahafinaretana manoloana ny fisavorovoroana vokatry ny fanelezana tsaho. Misy ireo mitady laza amin'ny fanelezana tsaho sy vaovao diso. Tokony ho tsaroina mandrakariva fa tsy fanahy fotsiny isika ary tsy afaka hanome fahafaham-po ny olon-drehetra. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

11 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

♦ Mitaky ampamoaka amin'ireo tsy nahatana ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... ♦ Mbola mampiato ny asany ireo "Vacataires" eny amin'ny Polytechnique Vontovorona miisa 150, izay misahana ny 64%-n'ny asa fampianarana... ♦ Andrasana rahampitso, eny Tsimbazaza, ny fankatoavana ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany...

♦ Isan'ny firenena afaka misitraka ilay Tahiry FFRD avy amin'ny FMI i Madagasikara. Tahiry ahafahana miatrika ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny hampaharitra izany fahafahana miatrika izany... ♦ Ny fitantanana, ny filaminana, ary ny fitoniana na ilay Tetik'asa GPS, ireo no dinihin'ireo fiaraha-monim-pirenena, avy amin'ny firenena miisa 04 ao amin'ny COI, anatin'ny atrik'asa mikasika ny "Fisorohana ny Krizy" izay tanterahina eto Madagasikara nanomboka omaly, ary aharitra 04 andro... ♦ Hiverina hiasa ny zotra an-dalamby TCE mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina, manomboka amin'ny voalohan'ny volana jona izao, araka ny vaovao navoakan'ny ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...