Tamin’izany andro izany, niakatra tany Jerosalema i Jesoa fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay. Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo. Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo. Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa, sady fantany fa efa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: "Te-ho sitrana va ianao?" Ary hoy ny navalin’ny marary: "Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa, no tafidina alohako." Hoy i Jesoa taminy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana." Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay. Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana: "Sabata ny andro ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao." Fa hoy ny navaliny azy: "Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana." Dia hoy ireo nanontany azy: "Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?" Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo. Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: "Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao." Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy. Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny. Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety. Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma, ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino!" Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: "Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Modia, fa velona ny zanakao." Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody. Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny ka nilazany fa velona ny zanany. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany, ka hoy ireo taminy: "Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy." Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: "Velona ny zanakao", ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay". Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: "Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly. Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’ Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’ Lazaiko aminareo fa itý no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco