10 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
♦ Mitsipaka ny fanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika sy ny firosoana amin'ny fitondrana tetezamita, ny Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny Mihava Tour. Tsy tokony ho sakana hanemorana ny fifidianana, hoy izy ireo, ny tsy fahalavorarian'ny fanomanana... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka ny asam-baomiera handinihana ny fanitsiana ny lalàna mifeny ny fampiasam-bola eto Madagasikara, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... ♦ Omena ny mpilalao ny 60% amin'ilay vola valin-kasasarana nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, natao tany Algérie farany teo...
♦ Mizarazara tanteraka ny hevitry ny mpanao pôlitika amin'ny mety hahatanterahan'ny fifidianana amin'ity taona ity. Toy izany koa ny mety hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana... ♦ Olona efatra no efa nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora manoloana ilay fitsaram-bahoaka nitranga teny Amparibe ka nahafatesana raim-pianakaviana iray. Andrasana amin'ny 22 mey izao ny fotoam-pitsarana... ♦ Nahatsiaro ny faha-110 taonan'i Régis Rajemisa Raolison, ny Havàtsa-Upem... ♦ Misy akony amin'ny daty androany izay hanamarihan'i Rosia ny nandresen'ny rosiana ny Nazia Alemana tamin'ny ady lehibe faharoa ny fifanandrinana aminy sy Ukraine ankehitriny...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)
Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:
“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”
Fa hoy ny navaliny azy ireo:
“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.
Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:
“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco