Hira fanaon'ny foko betsileo ; ataony amin'ny anton-javatra samy hafa eo amin'ny fiainana andavanandro, na an-kafaliana na amin'ny fahoriana. Atao hoe "mpiisa" ny mpiangaly an'ity kazaran-dahabolana ity. Indraindray teny fotsiny ataon'olon-tokana na ifamalian'olon-droa fa misy ihany koa hiraina. Amin'ny ankapobeny dia misy olona roa farahakely mamelona azy. Ireo singa mamelona ny Isa : Mpanonona isa, mpandray isa ary fahatelo dia ny mpamerina isa. Fandaharana "Filira".

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 5-8. 14-17)

Nametrahany tanana izy ireo ka nandray ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema
fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,
dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona
mba handraisany ny Fanahy Masina;
satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo,
fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
Dia nametrahany tanana izy ireo,
ka nandray ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo;
antsao ny Anarany be voninahitra.
Ataovy mafy ny antso fideràna Azy:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Miankohoka aminao ny tany tontolo
sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra,
mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.

Ny ranomasina novàny ho tanety,
nandehanana tongotra ny ony.
Koa aoka isika hifaly aminy.
Ny heriny manapaka mandrakizay.

Tongava ianareo matahotra ny Tompo,
hitantaràko izay nataony tamiko.
Hisaorana anie Andriamanitra:
Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 15-18)

Novonoina tamin’ny nofo i Kristy fa novelomina tamin’ny fanahy.

Ry hava-malala,
i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo.
Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana,
an’izay rehetra manontany anareo
ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo,
mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra
no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara
ataonareo ao amin’i Kristy.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana,
raha izany no sitrapon’Andriamanitra,
toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.
Na i Kristy koa aza,
niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika,
dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra,
ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo,
dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)

Hangataka amin’ny Raiko Aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo,
mba hitoetra eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana,
izay tsy azon’izao tontolo izao raisina,
satria tsy hitany, ka tsy fantany,
fa ianareo no hahafantatra Azy,
satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo,
fa hankaty aminareo Aho.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao;
fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho,
ary ho velona koa ianareo.
Amin’izany andro izany,
dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko,
ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa,
ka haneho ny Tenako aminy Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Manatanteraka fihatahana masina any amin'ny nosy Maorisy, ireo Evekan'i Madagasikara taorian'ny fivoriana nataony teto Antananarivo... ♦ Hiroso amin'ny fampiatoana ny fampianarana anio ireo mpampianatra an-tselika eny amin'ny Polytechnique. Nitondra fanazavana an-taratasy momba ny fitakian'izy ireo etsy ankilany ny ministera mpiahy... ♦ Mbola misy koa ireo andininy tsy mampitovy hevitra ireo solombavambahoaka sy ny ministera tompon'andraikitra momba ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hihaona any Bruxelles amin'ny alahady izao ireo mpitondra any Arménie sy Azerbaïdjan...

Ny atao hoe "tsaho, vaovao tsy marina" dia teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafotopototra na marina na diso. Izany hoe fampahalalana izay mampita amin'ny tanjona hamafazana fisalasalana momba zavatra na olona iray, ary tsy azo porofoina. Ny tsaho dia manamafy ny fahalianana, porofon'izany mazana ny olona no liana amin'ny tsaho, maika aza mampitombo ny fahalianany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...