Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....
Ny hatoka manaintaina dia tsy fahasalamana mpahazo ny olon-dehibe matetika, mba tsy hiteraka olana ara-pahasalamana hafa dia tsara ny hanatonana mpitsabo matihanina "Rhumatologue - Osteopathe". Saropady ny hatoka, izay fitambaran'ny taolan maro miainga avy eo amin'ny fototry ny loha, ary ahitana nofo sy ozatra na retsika. Maro ny antony mahatonga ny fanaintainana amin'ny faritry ny hatoka : tosi-dra miaka-midina, niolam-pandrina, vodona, fibromyalgie (fanaintainan'ny ozatra sy ny nofo), sciatique... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miisa 10 hatramin'izao ireo matin'ny MPox teto Madagasikara hatramin'ny nidiran'ny valan'aretina ity. Nisy olona 2 lavon'ny aretina indray ny alakamisy teo araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly... ♦ Manohy ny fiara-miasa amin'ireo laharam-pahamehana hahazoana tombontsoa iombonana i Etazonia sy Madagasikara. Isan'ny nivoitra izany nandritry ny fankalazana ny faha-250 taonan'ny Fahaleovantenan'i Etazonia sy ny faha-160 taona niarahany niasa tamin'i Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny mety ahafoana ny 30%-ny orinasa mijoro ireo Malagasy mpandraharaha noho ny IA...
♦ Nanao veloma an'ny Mgr Tomaz Gryza, Nonce Apôstôlika eto Madagasikara ny Arsidiôsezin'Antananarivo omaly. Izy izay voatendry hiasa any Ouganda ny 14 mey 2026 teo... ♦ Nikarakara ady hevitra momba ny asa fanaovan-gazety manoloana ny firoboroboan'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambazotra serasera ny Oniversite Katôlika Madagasikara (UCM). Tsy azo ialana intsony ny tontolon'ny nomerika hoy ny mpandray anjara... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny tolona tamin'ny volana septambra sy ôktobra tamin'ny taon-dasa ny firaisamonim-pirenena manoloana ny fizotry ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco