♦ Olona miisa 3.000 no nirotsaka an-tsehatra nanatanteraka fanadiovana faobe niaraka tamin'ny Fikambanana Fanjiry tao Antananarivo-renivohitra, ny faran'ny herinandro lasa teo... ♦ Miezaka hatrany  manamora ny fiainan'ny mpanjifa, azo antoka sy malalaka amin'ny fitantanana ny volany, ny BGFI Banky amin'ny fanomezana tolotra vaovao "Gasy Money"... ♦ Notontosaina tany amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa nandritry ny 3 andro ny fihaonamben'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Isan'ny nanamarika ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, ny fihaonana tamin'ireo marary sy mpitsabo ary mpikarakara tao Lourdes...

♦ Laharam-pahamehana ho an'ny fitondràna fanavaozana ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël nandritra ny lanonana famaranana ny fikaonan-doham-pirenen'ny tafika... ♦ Herintaona aty aorian'ny nahafatesan'ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo, Rabenirina Jean Jacques, mitaky hatrany ny hivoahan'ny marina momba izany ireo fianakaviany... ♦ Fanararaotra lehibe ho an'ny kaontinanta Afrikana, ary indrindra h an'i Madagasikara ny ZLECAF. Sehatra iray mampivondrona mpanjifa mihoatra ny arivo tapitrisa...

.../… Nivaly iny ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Lasa ihany ny eritreritra hoe moa azo lazaina fa tafita amin’ny fianarana ve ny afa-panadinana bakalorea? Mbola hanohy sa hijanona hatreo ? Fianarana aiza no aleha ? Baraingo mieloelo an-tsain'ireo tanora afaka bakalorea izany rehetra izany. Dia hanao inona tokoa aorian’ny Bacc? Raha hitady asa moa sarotra satria tsy ampy ny ho amin’izany ny mari-pahaizana. Na koa mahita ihany fa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana azo. Dia maro ny tanora no lasa miasa any amin’ny orinasa afakaba. Dia ho aiza na hanao inona tokoa ?...

Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...